Oktobra 2015—Lah. 100
www.fjkm-antsampandrano-fiderana.com
Ny Vaovao Mahafaly avy eto amin’ny FJKM Antsampandrano Fiderana
VAT S I M - PA N A H Y
Lioka 5:20
RY MPANDRAY, NDAO HIFIDY TSARA HO FANTATRA
VATSIM-PANAHY
LIOKA 5:20
Tak. 2
FITORIANA FILAZANTSARA
Tak. 5
SAKAFO TSARA
TETIANDRO
CHOCOLAT
Tak. 9
VOLANA OKTOBRA
Tak. 3
NATOKANA HO AN’NY DOKAMBAROTRAO ITY TOERANA ITY
2
A
Tafa Fiderana
Lioka 5:20
min’ity volana oktobra ity indray no hiresahantsika ny lohahevitra hoe ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA. Koa avy amin’ity tantaran’ny nahasitranan’i Jesoa ny lehilahy iray mararin’ny paralysisa ity no hakantsika ny vatsim-panahy : Lio. 5 : 17 – 26 Andeha ho dinihana ny fihetsik’ireo olona mitondra ilay marary teo anatrehan’i Jesoa andaniny, ary ankilany kosa ny fihetsiky ny Tompo. Azo lazaina fa nanana finoana mafy orina tsy hay notohaina ireto mpitondra marary ireto. Inona no vokatry ny finoana lalim-paka eo amin’ny olona ? 1. Ny finoana mafy orina dia andresena ny sakana samihafa Eto amin’ity Lio. 5:17 ity no voalaza fa be mpihaino indrindra Jesoa raha nampianatra. Na ny Fariseo sy ny mpampiana-dalàna tany amin’ny faritra sy vohitra samihafa aza dia mba vory teo koa. Tao anatin’izany no nisehoan’ireto mpitondra marary, tsy nahita fomba na làlana noho habetsahan’ny vahoaka mba hankanesana eo amin’i Jesoa. Tsy nionona tamin’izao fa nandrava tafontrano nony farany hampidirana ny marary nentiny. Midika izany fa ny sakana rehetra dia tsy maintsy nihooaran’ireto mpitondra marary ireto, noho ny finoan’izy ireo, ary na Jesoa eo amin’ny and. 20 dia miaiky izany. Ny finoana marina dia ahafahana mandresy ny sakana rehetra ka handraisanpamonjena sy ahazoam-piainana. Zava-dehibe ny mandray famonjena avy amin’ny Tompo, betsaka koa anefa ny vato misakana sy ny fakam-panahy mety ho sedraina amin’izany. Noho izany ilaina ny manam-pinoana mafy orina ka tsy hatahotra hiatrika ny zava-tsarotra rehetra mahazo antsika. Na inona na inona anefa dia ataovy tonga eo amin’ny tanjona : ny fihaonana amin’i Jesoa, tahaka ny nataon’ireto mpitondra
marary ireto. 2. Ny finoana matanjaka dia ahazoan’ny hafa famonjena « Ary raha hitan’i Jesoa ny finoan’ireo… » and.20, izany hoe ny finoan’ireo nitondra ity marary ity, dia mamela heloka Izy, ary sitrana ilay marary. Ny hita mazava eto dia tsy finoan’ilay marary akory no nahasitrana azy, fa ny finoan’ireo nitondra ilay marary , ireo olona akaiky azy. Ny finoana ao amin’olona tahaka izany dia ahazoan’ny hafa famonjena koa. Ary izay no tena zava-dehibe ato, ny finoanao dia tsy ny tenanao ihany no mandray ny famonjena fa ny manodidina anao koa, ny fianakavianao. Izay finoan’ny olona iray mamonjy ny hafa izay no tsy takatry ny sasany ka anakianany ny batisan’ny zaza (izay mbola tsy manam-pinoana, na tsy mahay mino hoy izy ireo), afaka mandray famonjena noho ny finoan’ny ray aman-dreniny ny zaza na dia tsy hahatsiaro sy mahalala izany finoana izany aza. Na ny Apostoly Paoly koa aza dia tsy manome toky ireo olona manambady tsy mino momba izany famonjena izany ( jereo I Kor.7 : 13-16) Koa mahereza àry ry havana, eo anatrehan’ny fiatrehana ny fiainana, ataovy mafy orina ny finoanao amin’ny alalan’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainam-bavaka. Fa amin’izany dia sady mahazo famonjena isika, ny manodidina antsika mandray izany famonjena izany koa, mandra-piTAFA e ! Rakotomahanina Laurel, Mpitandrina
ARY IANAO MBA AHOANA…
fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay ?
3
Tafa Fiderana ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA TETIANDRO OKTOBRA 2015—Fitandremana Iray volan’ny Sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara
Alahady 4 Oktobra: Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, Fandraisan-tanana Biraon’ny Fiangonana, Solontenan’ny Fiangonana any amin’ny KL SPIA, Mpandini-bola. Alahady 11 Oktobra: Alahadin’ny Sampanasa AFF Zoma 16 Oktobra: Fivorian’ny Biraom-piangonana Asabotsy 17 Oktobra: Fanamasinana fanambadiana efa niorina Alahady 18 Oktobra: Alahadin’ny MAMRE Alahady 25 Oktobra: Alahadin’ny SAFIF FJKM.
TETIANDRO OKTOBRA 2015—SPIA Talata 6 Oktobra: KL Dorkasy (Masoandro) Alarobia 7 Oktobra: Fanokafana taon-tsekoly FPMP 2015-2016 (Andravoahangy Fivavahana) Alakamisy 8 Oktobra : MD sy KL STK (Amboara). Zoma 9 Oktobra : Fivoriambe FDL SPIA (Sadabe). Asabotsy 10 Oktobra: Faha-30 taona maha Mpitandrina (Tsitiabedy) Talata 13 Oktobra: Fivoriana Birao SP Alarobia 14 Oktobra: MD sy KL VPL (Ambohidahy) Alakamisy 15 Oktobra: KL SLK (Tsarafara) Asabotsy 17 Oktobra: Fivoriambe SA (Ambolo) Talata 20 Oktobra: Fivoriambe Dorkasy (Amboditsiry) Alakamisy 22 Oktobra: MDR SPIA (Anosiarivo) Zoma 23 Oktobra: Faha 25 taona maha Mpitandrina (Lazaina) Asabotsy 24 Oktobra: MD sy KL SVM (Ambodiala) Alahady 25 Oktobra: Fanokanana SVM (Ambohidava) Talata 27 Oktobra: Firalahian’ny Mpitandrina (Ivotoerana) Alakamisy 29 Oktobra: KL SPIA (Ambohidahy) Zoma 30 Oktobra: Faha 10 taona maha Mpitandrina sy faha 10 taona naira-nanompo (Ambohimiaramasoandro) Asabotsy 31 Oktobra: faha 10 taona niaraha nanompo (Masoandro) VAOVAO TAPATAPANY FMBM. Voatery hiroso amin'ny chômage technique ny FMBM na ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. Ny antony dia nohon'ny fasahiranana ara-bola satria tapaka ny fanampiana ara-bola avy amin'ny Fikambanana mampiely Baiboly eran-tany. Ny Baiboly izay vokarin'ity fikambanana eto amintsika ity moa dia voalaza ombieny ombieny fa amidy amin'ny fatiantoka mba hanan'ny rehetra Baiboly. Noho izany dia manao antso avo ho antsika Kristiana rehetra ny FMBM satria dia voalaza fa ny fanomezana avy amin'ny Kristiana sy ny fiangonana izany izao sisa no ahafahan'izy ireo miasa ho amin'ny famokarana ny Baiboly. 17 Oktobra : fanamasinana fanambadiana efa niorina Araka ny fandaminan’ny Foibe FJKM vaovao dia tsy ho ampiasaina intsony ny fiantsona hoe « mariazy miara mizotra » fa antsoina kosa hoe « fanamasinana fanambadiana efa niorina ».Natokana indrindra izany fanamasinana izany ho an’ireo mpivady efa vita soratra taloha, na efa niteraka… ka mahatsapa fa tonga ny fotoana hanamasinana ny fanambadiany.
4
Tafa Fiderana
Izay ambaran'ny Baiboly momba ny « homosexualité » 2.2 IREO MANOHANA NY « HOMOSEXUALITÉ» reo olona manohana ny « homosexualité» dia milaza fa tsy misy miresaka mivantana momba ny « homosexualité » ireo andinin-tSoratra Masina ao amin'ny Testamenta Vaovao ireo (afa-tsy ny Rom. 1:26-27). Ny filazana ny tsy fahaizana mandray vahiny no nandraisan'i Jesoa Kristy ny ohatra tao Sodoma fa tsy noho ny fitondrantena loatra (Mat. 10:15). Tsy fahotana manokana akory ny « homosexualité » fa tahaka ny fahotana rehetra izay voatanisa miaraka aminy ary samy mety hahazo ny olona avokoa. Tsy misy fanavahana manokana ny « homosexuel » amin'ireo andinin-tSoratra Masina ireo.
I
3. FOTOKEVITRA TEOLOJIKA - Lehilahy iray sy vehivavy iray no nampiraisin'Andriamanitra ao amin'ny fanambadiana. Io no fikasàn' Andriamanitra ho an'ny mpivady (Gen. 1:27 ; 2:18, 24) - Lehilahy iray sy vehivavy iray izay mifanaiky hiara-dalana ao anatin'ny fanambadiana no afaka manao firaisana ara-nofo (Ho nofo iray ihany) (Gen. 2:24,25) - Mifanohitra amin'ny asan'Andriamanitra ny « homosexualité » ka heverina ho fahotana, izany hoe: mitarika ny olona hanalavitra sy tsy hankato ny sitrapon'Andriamanitra (Rom. 1:26-27). - Fialàna amin'ny toetra voajanahary ny « homosexualité». Tsy nahary olona ho « homosexuel» Andriamanitra, saingy mety hisy ny olona izay hanana fironana ho amin'izany. - Samy ahitana andinin-tSoratra Masina manameloka ny « homosexualité» (Iehilahy samy lehilahy, na ny vehivavy samy vehivavy) na ny Testamenta Taloha na ny Testamenta Vaovao (Lev. 18 : 22; 20 : 13; Rom. 1 : 26-27). Manameloka ny « sodomie » ny Soratra Masina, na eo amin'ny lehilahy samy lehilahy, na eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy (l Tim. 1:10). - Mila fongorana tanteraka (fanamelohana ho faty) ny « homosexuel» araka ny bokin'i Levitikosy (Lev. 20 : 13). Tsy hita intsony kosa izany ao amin'ny Testamenta Vaovao. - Tahaka ny fahotana rehetra ny « homosexualité » ao amin'ny Testamenta Vaovao. Tsy fahotana lehibe mihoatra noho ny fahotana hafa (toy ny fijangajangana na ny fanompoan-tsampy) akory ny « homosexualité ». Ny fahotana rehetra dia fanoherana an'Andriamanitra. Samy tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra ny mpanota (I Kor. 6:9-10) - Loza ho an'ny ho avin'izao tontolo izao anefa ny « homosexualité » : tsy misy ny fiterahana, tsy misy ny taranaka mifandimby. Tao amin'ny Baiboly, ny fahamombana, ohatra dia raisina ho tahaka ny sazy avy amin'Andriamanitra. Tsy afaka ny hamokatra (hiteraka) araka ny tsodrano nataon'Andriamanitra amin'ny mpivady (Gen. 1: 28) na hanatanteraka araka ny tokony ho izy ny andraikitra ao an-tokantrano ny « homosexuel». Heverina ho tahaka ny famonoana olona ny « homosexualité » eto. - Tempolin'Andriamanitra ny kristiana ka tsy tokony hanana toetra ratsy mifanohitra amin'ny sitrapon' Andriamanitra (I Kor. 3: 16; 6: 19). - Na izany aza, manome ny hery hahazoana manohitra sy mandresy ny fahotana Andriamanitra (I Kor. 6 : 11) - Vonona ny hamela heloka amin'ny mpanota rehetra izay mino sy manaiky an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy Andriamanitra, na inona na inona endriky ny fahotana nananany (na ny mpangalatra, na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny « homosexuel» (Jao. 6 : 37 ; 1 Jao. 1 : 9), afa-tsy ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina). 4. HEVITRY NY FIANGONANA SAMIHAFA: • Ny FIANGONANA KATOLIKA dia manameloka ny « homosexualité» noho ny fiheverany fa vokatry ny fahotan'ny olombelona no mahatonga azy ho « homosexuel». Fivilian'ny toe-tsaina sy ny fitondrantena ny « homosexualité». Maneho mazava kosa ny Fiangonana Katolika fa tsy tokony hailika ny olona « homosexuel» fa raisina am-pahendrena sy am-pitiavana ao amin'ny Fiangonana izy ireo. Manameloka ny « acte homosexuel» izy fa tsy manameloka ny olona mirona amin'ny « homosexualité». Tsy mbola manamasina ny fanambadiana « homosexuel» ny Fiangonana Katolika. Na izany aza dia misy ny antsoina hoe: « Eglise vieille Catholique » izay manana hevitra malalaka kokoa ary manaiky ny fanamasinana ny fanambadiana « homosexuel» (tena vitsy an'isa izany, saingy misy). • Ny FIANGONANA ANGLIKANA dia tsy mbola manana hevitra iraisana. Mbola ao anatin'ny adihevitra lehibe ankehitriny. Efa nisy anefa ireo Eveka anglikana izay nanambara mivantana fa « homosexuel» kanefa mbola notendrena ihany ho amin'ny andraikitra ambony eo anivon'ny Fiangonana. Tsy ny anglikana rehetra no nankasitraka izany. • Ny FIANGONANA EVANJELIKA (fironana protestanta) any Afrika dia saika manameloka avokoa ny « homosexualité ». Misy ireo mihevitra fa fomba na kolotsaina vahiny tsy mifanaraka amin'ny fisainana afrikana izany. (Mbola hitohy)
5
Tafa Fiderana
R
NY FITORIANA NY FILAZANTSARA SY NY TONTOLONY
aha ny hevitry ny atao hoe « Filazantsara » no resahina araka ny Fanekena Taloha dia milaza ny vaovao mahafaly no dikany. Toa ny fahaterahan-jazalahy (Jer 20 :15 ), na famonjena ny aina teo amin’ny loza nitranga (I Mpaj 1 :42) na koa fandresena tamin’ny ady (Isa 9:2). Voakasik’izany avokoa ny isam-batan’olona na ny fianakaviana, na ny firenena. Tany am-boalohany dia entina ilazana ny valisoa na valin-kasasarana nomena ny mpitondra, vaovao mahasoa avy amin’ny mpanjaka ho an’ny vahoaka. Taty aoriana kosa anefa dia lasa ilay vaovao mahafaly indray sy mahasoa mihintsy ny filazantsara na « euangeliona » amin’ny teny grika. Raha jerena indray ny Filazantsara ao amin’ny Fanekena Vaovao dia i Jesoa Kristy mihintsy no tena Filazantsara (Mat 24:14; Mar 13:10). Tsy inona izany fa ny Filazantsara torian’ny Apostoly sy ny fiangonana dia vao tonga ny farany. I Jesoa mihintsy no sady filazantsara no mpitondra ny filazantsara izany hoe Izy no Teny soa mahafaly nambaran’ny anjely tamin’ny mpiandry ondry (Lioka 2:8-20). Ary mbola Jesoa ihany no fahatanterahany filazantsara rehetra teo amin’ny tantaran-pamonjena sady filazantsara Izy no mpitory ny filazantsara (Lioka 4:16-21; Matio 11-5). Raha ireo hitantsika ireo ny famaritana ny atao hoe filazantsara araka ny vanimpotoana nisiany avy dia inona kosa ary ny zavatra notakiany amin’ny Fiangonana manoloana ny filazantsara ? Tsy safidy fa baikon’i Jesoa lohan’ny fiangonana ny fitoriana ny filazantsara « mandehana any amin’’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra (Mar 16:15; Mat 28:18-28). Ny hitory ny Vaovao Mahafaly izany no antom-pisiany fiangonana. Tsy manana raharaha afatsy io izy eto ambany masoandro. Faneken-pinoana tononina isan’andro rahateo ny hoe : mino ny fiangonana masina. Ny maha masina azy dia noho izy natokan’Andriamanitra ho any mpitory ny filazantsaran’ny famonjena eto an-tany. Ny Kristiana tsirairay, ny sampana, ny sampanasa ary ny Asa rehetra ao amin’ny fiangonana, izany hoe ny Fiangonana iray manontolo no Mpitory ny Filazantsara. Ny tanjony dia mba handraisany olona rehetra ny famonjena ao amin’ny Jesoa Kristy. Ny fitoriana ny filazantsara izany dia tanterahina amin’ny teny, ny asa ary ny fiainana andavan’andro. Manana anjara famonjena ny olona rehetra « fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay ». Mbola maro anefa no variana voasariky rehak’izao fiainana izao ka tsy mahatsapa akory ka very mila famonjena. Mila olona hitory ny fitiavan’Andriamanitra aminy izy ireny. Maro no tsy mahalala fa tokana ny lalam-pamonjena dia Jesoa Kristy irery ihany izay mitondra antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Lozako hoy i Paoly raha tsy mitory ny filazantsara aminareo aho, ny filazantsara toriana dia ny fanambarana an’i Jesoa Kristy sy ny momba Azy : ny fahaterahany, ny fiainany, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty, ny niakarany tany andanitra ary ny fiverenany am-boninahitra. Ny mpino dia nantsoina hanambara ny famonjena sy hijoroany vavolombelona noho izany fitiavan’Andriamanitra nasehony izany. Farany dia asa nampanaovin’ny Tompo amintsika ny fitoriana ny filazantsara, trosa tsy maintsy haloa io ka tsy azo angatahina andro. Anio ary samia mamantatra ny tenantsika avy isika, manao ahoana ny fandoavantsika io trosa io ? Inona no sakana tsy hantanterahantsika izany ? Ny tanjon’ny Tompo dia ny hamonjy ny olona rehetra, navelany ho antsika ny fanohizana izany asa izany, mba azony ianteherana ve isika sa sanatria tia tena ka handiso fanantenana Azy ? Ry havamalala tsy mora ny asa, tsy mora ny nitory ny famonjena satria olombelona malemy isika. Tsy vita izany raha tsy miray mandrakariva amin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitiavana mba ho tena vavolombelony marina. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena!
8
Tafa Fiderana
9
Tafa Fiderana
Tononkalo TSY MBA MISY Ray o tsy mba misy faniriako afa tsy akaikinao, tsisy anarana hobiako afa tsy ny Anaranao; tsisy teny ankamamiako afa tsy ny Teninao, tsisy ora ifaliako afa tsy ny Anilanao tsisy, mantsy, ny masoandro, tsisy koa ny aizim-be, rah’ tsy Ianao no mitandro, rah’tsy Ianao no manome. ka ny hafa samy handalo, ny tontolo ety ho dify, lavitra ahy ny fahavalo rah’ Aminao no miampify Mamy RN
"Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy" Isa 58: 1a
SAKAFO TSARA Maro amin’ireo sakafo izay hanintsika andavanandro no mitondra voka-tsoa betsaka ho an’ny fahasalamana, ka tsara ny mihinana azy matetika kokoa. Ampahafantarinay anao anio ny sasany amin’izy ireo sy ny tombon-tsoa entiny. Ireo mampirindra ny fiainana arapananahana Ny « huitres » : sy izay mitovy karazana aminy dia feno zinc. Io singa io dia mamokatra testostérone izay miantoka ny fientanana ara -nofo. Ny « chocolat » : Mahatonga ny vatana hamoaka dopamine ny chocolat, izay tsiry mpanentana manala ny rarin-tsaina sy mampirindra ny fihetseham po. Ireo tena be kakaô no tena tsara.
FANTARO Aphtes 1°) Fanalana fanaintanana vokatry ny « APHTES » Maka karibonetra erran’ny sotrokely, ampifangaroy amin’ny rano voampangotraka, nampagatsiahina eran’ny vera. Ahotsano amin’io ny ati-vava, dia ho afaka ny fanaintainana sy ny APHTES. 2°) Fitsaboana sy fisorohana ny « RHUMATISME » Alohan’ny sakafo maraina, maka rano mafana dia arotsay anaty « bol » ny ravina « artichaud ». Avelao hilona dimy minitra, dia sotroy mafana. Ny Sampana Vondrona Fototra Laika
8
Tompo ô, ampitomboy ny Finoanay
Tafa Fiderana
M
aro ireo singa manafotra ny tontolo iainana andavanandro, toa tsy mahataitra, toa tsy mampiontsina, mandala fotsiny ihany. Na ny Fiangonana aza, na ireo Fiangonana ara-tantara, na arampilazantsara dia toy ny moana sy mitazam-potsiny, miraviravy tanana. a) Ny fandringanana any amin’ny tany Silamo mahery vaika ny kristiana. Ity taona 2015 ity dia tafakatra 70.000 no maty, na tsy hita poapoaka. Manginy fotsiny ireo trano Fiangonana nodorana. Mampalahelo, fa na dia ireo mitompo teny fatratra mpanaja ny zon’olombelona aza tsy mahaloa-peo. Mipetra ny fanontaniana, mandra-pahoviana no hitsahatra ny haza lambo sy vono moka atao amin’ny kristiana ? b) Vokatry ny fandrosoana dia mirimorimo fatratra ny tsioka ateraky ny fiovan’ny toe-tsaina mandrafitra ny fiaraha-monina. Tsy manana ny toerana tokony ho azy ny Fiangonana, hany ka amin’ny lafinjavatra sasany dia alaim-panahy manara-drian-drano, indrindra ireo any amin’ny tany kapitalista. Moa tsy teraka tany va ny IVG (fampiantoana an-tsitrapo ny vohoka), ny “clonage”, familiana aminn’y fomba siantifika ny lalana voajanahary, teraka ohatra ny OGM (organisme genetiquement modifie) mitondra loza amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Ny “euthanasie”, fanafoizana ny andron’ny marary tsy ahitam-panafana intsony hampihenana ny hirifiry, sy hanalana fahasahiranana ny fianakaviana mitsabo. Ny “mariage pour tous” na fanambadiana tokambolo, miha-mahazo laka, ka afaka mifanambady ny lahy sy lahy (gay), na ny vavy sy ny vavy (lesbienne). Zary lalana mamatotra ny fiaraha-monina aza ny fomba fanao toy izany ankehitriny. Ny “mere porteuse”, rehefa tsy mamokatra ny lahy na ny vavy dia karamaina ny vehivavy iray hitondra vohoka avy amin’ny tsirin’aina nojonoina tamin’ny lahy, dia ny zaza teraka dia voasoratra ara-panjakana amin’ny anaran’ny mpivady nisafidy izany fomba izany. Mbola maro no azo ambara, fa santionany ihany ireo. Mipetraka ary ny fanontaniana. Mahatafandry mandry ny Fiangonana ve ny tarehin-javatra toa izany ? Voatery ahitsin’ny sivilizasiona ve ny Fiangonana, ka no taitra hampifandrindra ny Soratra Masina amin’ny sangidotry ny firimorimon’ny siansa, sy ny tadion’ny “materialism” ? Ampy ve ny fanomanana ny fitaizana iatrehana ny olana ara-panahy ? Mitosaka ve n y fampitam-baovao hanazavana ny sain’ny kristiana, tsy ho mora roboka amin’ny fandraisana ny riakampandrosoana ? Dia ho isan-kerinandro fotsiny ihany ve vao hidanadana ny varavaran’ny Fiangonana, iantorahany amin’Andriamanitra, sa mba ho afaka hitondra ny vesarany izy ao an-tranon’ny RAINY, VAVAHADIN’NY LANITRA. Na amin’ny fotoana inona, na amin’ny fotoana inona ? Ny mahadodona mantsy ankehitriny dia ny fananganana anaram-piangonana etsy sy eroa, ka mampifaly ny mpitondra irery ny mangalatra ny ondrin’ny hafa ho ao ambalany amin’ny fampanantenana ny mirentirenty sy ny manintona. Ny marivo salosana dia rendrika ary dia tena voafatotra lasa babo. Safiy ny fitoriana ny Filazantsara, fanafahana ara-panahy tanteraka sa fanafahana ara-nofo fotsiny ihany, ka nitenenan’ny Tompo hoe “AZA MANAHY NY HOTAFINAREO, NA IZAY HANINA HO ANAREO, FA FANTATRY NY RAINAREO FA TOKONY HO ANAREO IZANY. FA KATSAHO ALOH NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA DIA HOMENA ANAREO MAIMAIMPOANA IZANY REHETRA IZANY. MBA FIRY AMIN’NY MPITONDRA FIVAVAHANA IREO NO MAMERINA NY OLONA HISAINA NY FANJAKAN’NADRIAMANITRA ? RAZANAMAHERY Modeste FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA Taratasim-pifandraisana mivoaka isam-bolana
NY FIAINANA KRISTIANA ETO AMIN’NY FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA
ZAVA-KENDREN’NY TAFA FIDERANA:
FITORIANA NY FILAZANTSARA
Mpiandraikitra RAKOTOMAHANINA A LAUREL (033 02 95687) RAZAKATSARA HUGUES (0342062337) RASOLOFOMANANA SAHONDRA (0347502799) RANDRIANIRINA FENO ROMUALD (0331154040) ANDRIAMASY VELONTSIOHARANA W: www.fjkm-antsampandrano-fiderana.com F: https://www.facebook.com/fjkm.antsampandrano.fiderana T: http://twitter.com/antsampandrano E: fjkm.antsampandrano@gmail.com, pstlolo.rakoto@gmail.com
FITAOVAMPANONTANA