May 2015—Lah. 95 fjkm-antsampandrano-fiderana.com
Ny Vaovao Mahafaly avy eto amin’ny FJKM Antsampandrano Fiderana
Taorian’ny fifidianana, dia miroso amin’ny fiofanana ireo diakona sy loholona...
RY MPANDRAY, NDAO HIFIDY VATSIM-PANAHY
JAONA 14:12
Tak. 2
VAOVAON’NY SAMPANA
IRAY VOLAN’NY STK
Tak. 12
VAOVAO FJKM FOIBE
HAFATRY NY MF
Tak. 6
FITOKANANA
TOBY FAMPIRAISANA ILAFY
Tak. 3
DOKAM-BAROTRA
2
Tafa Fiderana
Jao. 14 : 12
H
oy Jesoa : « Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy ». Jao. 14:12.
Vanimpotoana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny Pentekosta. Tsaroana sy ankalazaina ao anatin’ity volana ity izany fotoana nanomezan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny Fanahyy Masina ho an’ny mpianany izay vory tao Jerosalema izany. Tamin’io fotoana io koa no heverina fa nahaterahan’ny Fiangonana Kristiana. Iray amin’ireo dinidinika fampaherezana faramparany nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany ity hitantsika ao amin’ny Jao. 14:1-30 ity. Fa izay hosinganina dia ny and. 12-17. Fotoana voafetra ihany no nitoeran’i Jesoa teto an-tany, ary dia voafetra tahaka izany koa ny asa nataony. Rehefa tanteraka ny asam-pamonjena nanirahan’ny Ray Azy dia tsy maintsy hiverrina ho any an-danitra Izy. Mba hahatonga ny asany hitohy dia mila olona hisahana izany asa izany Izy, dia ny Apostoly aloha, vao ny Fiangonana. Ny fepetra takiana amin’izany olona hisahana izany dia ny « finoana ». Hoy Izy : « Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ». Ny atao hoe « mino » raha izay voalaza eto amin’ny Jao. 14, dia izay nahafantatra sy nahita Azy ka resy lahatra ny amin’i Jesoa. Ny fepetra manaraka dia izao : « ary hanao asa lehibe noho izany aza izy ». Izany hoe ny asa nataon’i Jesoa ihany no hotohizany ary hitombo sy hivelatra aza izany asa izany. Raha miteny Izy eto hoe : « hanao asa lehibe noho izany aza izy », dia tsy midika akory izany fa hahavita noho izay nataony teo amin’ny Hazofijaliana isika. Ny heviny dia izao : ny hivelaran’ny Filazantsara manerana ny tany. Manoloana izany fitomboan’ny asa sy fivelarany izany dia antoka lehibe ny Tompo hahatanteraka izany. 1.—Ny vavaka (and. 13, 14) Antoka iray lehibe hahombiazana ao amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo ny vavaka. Betsaka ireo zavatra ilaina ho amin’ny fanantanterahana izany : eo ny lafiny ara-pitaovana, nefa eo koa ny lafiny hafa toy ny herin-tsaina amam-panahy. Ma-
nome toky ny Tompo eto fa raha mangataka izany rehetra izany Aminy isika dia ho azontsika avy Aminy tokoa izany. Araka izany dia tsy misy mihitsy antony tokony tsy hahombiazantsika eto amin’ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra raha maharitra mivavaka isika. 2.—Ny Fanahy Masina (and. 15-17) Ankoatry ny vavaka dia antoka iray lehibe ho amin’ny fahombiazana eo amin’ny Asan’Andriamanitra koa ny fanomezany ny Fanahy Masina. Amin’ny fotoana hanatanterahana ny asany dia hisy fotoana sarotra mety holalovana ka hiteraka harerahana sy hakiviana ary hahavery hevitra mihitsy aza. Ka eo anatrehan’izany dia tena ilaina ny Fanahy Masina izay antsoina koa hoe « parakletos » (= mpiaro, mpanohana.) eo amin’ny and. 16, hanohana amin’ny fotoana mahaketraka, hanolotsaina amin’ny fotoan’ny fahaverezan-kevitra, hampionona amin’ny fotoanan’ny fijaliana. Ary mihoatra noho izany dia honina tanteraka ao amin’ny mpianany sy ny Fiangonana Izy : « ho ao aminy mandrakizay ». Tsy ho irery ny mpianatra na ny Fiangonana eo am-panaovana ny asan’ny Tompo sy eo am-piatrehana ny zava-tsarotra samihafa mitranga mandritra izany satria mitoetra ao aminy ny Fanahy izay tsy iza fa ny Tompo ihany. Ary tahaka izay nahombiazan’i Jesoa teo amin’ny asa no hahombiazan’ny mpianany sy ny Fiangonana koa. Somary miantefa amintsika vao voafidy eo amin’ny seham-panompoana samihafa eto amin’ny Fiangonana ny vatsim-panahy, kanefa dia mahakasika ny fiainam-piangonana manontolo. Izay indray àry no izy, ry havana, mahereza fa momba antsika ny Tompo, koa aza misaraka amin’ny fiainam-bavaka ary angataho mandrakariva ny Fanahy Masina ho amintsika, mandra-piTafa e ! RAKOTOMAHANINA A. LAUREL, Mpitandrina
ARY IANAO MBA AHOANA…
Fa i Kristy no velona ato anatiko….?
Tafa Fiderana
3
FOIBE FJKM : Nanolotra fitaovana momba ny Informatika ho an’ny Foibe ny zanaka Mpanohana ny Fjkm tamin’ny 3 aprily 2015 lasa teo. Nanolotra fitaovana arifomba ho an'ny Fiangonana FJKM, tamin’ny alalan'ny Departemantan'ny Fiangonana sy ny AFIFAB/FJKM ny Fikambanan'ny Zanaka Mpanohana ny FJKM. Ny zoma 3 Aprily teo no nanolorana izany tao amin’ny efitrano 201 Foibe FJKM Analakely. Mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny hasarobidin’ny Asan’ny Fiangonana ny Fikambanan’ny Zanaka Mpanohana ny FJKM izay notarihan’ny Filohany, Andriamatoa Ralison Alphonse, ka nanolotra fitaovana arifomba ny eo anivon’ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao FJKM. Sarobidy ny resaka fifandraisana ao amin’ny Fiangonana satria raha lavorary izany dia tafapaka any amin’ny vahoaka kristiana ny hafatra tiana hampitaina ary hanampy betsaka ny Asa fitoriana ny Filazantsara izany. Raha nandray fitenenana ny Filohan’ny fikambanan’ny Zanaka Mpanohana dia nanamafy ny amin’ny tokony hikajiana ny fitaovana natolotra; ho hita taratra tokoa ao anatin’izany hoy izy fa miaradalana ny sehatry ny fampandrosoana sy ny fivoaran’ny teknolojia. Nitondra ny teny fisaorana tamin’ny alalan’ny FJKM ho an’ ny Fikambanan’ny Zanaka Mpanohana ny FJKM kosa ny Talen’ny AFIFAB FJKM, Ramatoa Razafimalala Tantely, nambarany fa mametraka ho zava-dehibe ny Asan’ny Fiangonana izy ireo tamin’ny alalan’ ny fanolorana ireo fitaovana raitra sy maharaka ny toetr’andro, hiezaka hikajy izany ireo notolorana ny fanampiana ara-pitaovana. Ny Mpanampin’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, ny Mpitandrina, Rakotozanany Jules kosa dia nanipika manokana fa hanampy betsaka ny Fiangonana FJKM ho amin’ny fanatontosana ny statistikan’ny Fiangonana ny fahazahoana fitaovana tahaka izao. Solosaina entin-tanana roa sy Unité centrale iray no natolotra tamin’izany ka ny solosaina iray entin-tanana (portable) dia hampiasaina hanatontosana ny asan’ny tranokalam-pifandraisana na ny site web ary ny iray hanatontosana ny asa fanangonana ireo vaovao momba ny Fiangonana na (bases de données); ary ny “Unité centrale” kosa hanatontosana ny asa momba ny informatika amin’ny ankapobeny. SAFIF Foibe FJKM : Fitokanana ny Toby “Fampiraisana” eny Ilafy. Ny Asabotsy 11 Aprily 2015 teo no nanaovana ny fanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra sy ho fanokanana ny Toby “Fampiraisana” eny Ilafy. Vorilanona ny Sampana Fifohazana. Ny PS Iarivo Avaradrano, Rabetokotany Miarilaza A., no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Ny filohan’ny FJKM Lala Rasendrahasina Mpitandrina kosa ny nitory ny tenin’Andriamanitra. Ny teny faneva manao hoe: “Koa mitandrema, fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefa” I Tan. 28: 10 no nakana ny hafatra. Ny Raiamandrenin’ny toby : Dadatoa Ramanampamonjy kosa no nanambara ny tantaran’ity toby ity. Ny Toby Fampiraisana dia fananan’ny Foibe FJKM, fa miorina eto amin’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano, eo ambany fiahian’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano Sampana Fifohazana. Nitohy tamin’ny fitokanana ny toby izany ary nisy koa ny fanokanana takela-bato fahatsiarovana tao amin’ny akany ambony rihina. Rehefa izany dia niara-niombona tamin’ny sakafo agape ny rehetra ho fiaraha-mifaly. Ny tanjona manaraka dia ny hamefena ny tokontany eo atsimon’ny Toby, hanorenana trano ahafahan’ireo marary efa sitrana miasa aoriana kely. Nisy ny raki-dehibe sy ny valopy ezaka tamboho natao tamin’io fotoana io. FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA Taratasim-pifandraisana mivoaka isam-bolana
NY FIAINANA KRISTIANA ETO AMIN’NY FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA
ZAVA-KENDREN’NY TAFA FIDERANA :
FITORIANA NY FILAZANTSARA
MPIANDRAIKITRA RAKOTOMAHANINA A LAUREL (033 02 95687) RAZAKATSARA HUGUES (0342062337) RASOLOFOMANANA SAHONDRA (0347502799) RANDRIANIRINA FENO ROMUALD (0331154040) ANDRIAMASY VELONTSIOHARANA W : www.fjkm-antsampandrano-fiderana.com
F : https ://www.facebook.com/fjkm.antsampandrano.fiderana
T : http ://twitter.com/antsampandrano E : fjkm.antsampandranoamin’ny gmail.com, pstlolo.rakotoamin’ny gmail.com
Laharana : 95, Isan’ny natonta : 60
FITAOVAMPANONTANA
4
Tafa Fiderana
VAOVAON’NY FDL : FANAVAOZANA Tontosa ny Alahady 26 aprily 2015 ny Fifidianana ireo Diakona 72 miampy ny 6 antratra hiasa mandritra ny 4 taona manaraka i n d r a y . “Fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao amponareo.” (1 Petera 3:15a). Io no Teny Fanevan’ireto andiany ireto. N y Z o m a 1 m a y d i a e f a n i a t r i k a fiofanana sahady izy ireo. Ireo dinika nifanaovana sy ny fahavitrihana hita ary ny faharetana nasehony dia azo itarafana sahady fa ity diakona andiany 20152019 ity dia andiany hiavaka amin’ny fahavononana sy ny fanoloran-tena matotra. Raha nanokatra ny fampiofanana ny Raiamandreny Mpitandrina Rakotomah a n i n a L a u r e l d i a n i z a r a i z a o t a r i - d a l a n a f o h y i z a o : “Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona .” Ireo Mpandray tonga nifidy dia fitaovana namitan’ny Tompo ny safidiny. Izy no Tompon’ny Fifidianana. Rehefa izany dia niarahaba ireo voafidy soamantsara, ireo an-tratra sy loholona ny Mpitandrina. “Nanolotena ianareo, dia lany, nisy natolotry ny olona, dia lany. Mety manana ny fahalemena, tsy fahombiazany ianareo. Kanefa izay ny safidin’ny Tompo.” Sehatra hanefana olona ho lehibe amin’ny finoana ny sehatry ny Diakona. Tsy toerana ifampitsarana ao. Misy andraikitra, iraka, raharaha analan’ny Tompo ireo voaantso. Tokony hanana toetsaina ho toa ny ekipa iray ireo lany na dia maro aza. “Rehefa nifidy anareo izy, dia nanendry anareo hiasa.” Izay ilainareo amin’ny fanantanterahana ny asa fanompoana, dia angataho Aminy. “Izaho momba anareo” hoy ny Tompo. Nanafatra ny Mpitandrina ety am-panombohana, mba ho tokony ho olon’ny fivavahana ireo Diakona vao lany. Ataovy mafimafy ny fiainam-bavaka hoy izy. Ho an’ny Fiandry manokana, ataovy ho toa ny olona voafidy ianareo, efa mivonona ho amin’izany. Mandraisa anjara feno amin’ny sahan’asa rehetra. Ho an’ny loholona, rehefa misy sahan’asa, tsy manana « obligation » goavana ianareo. Ny fifaliana dia eo foana ianareo. Novoaboasan’ny Mpitandrina Rakotomahanina Laurel ihany koa ireo « Fitondrantena iatrehana ny asa fanompoana ». Rehefa izany dia nilaza ny atao hoe « Diakona tena diakona » ny Mpitandrina Ramangarivo Zoly, avy ao amin’ny Fitandremana Ambatolampy Antampotanana. Nazavainy ireo toetra 10 tsy maintsy ananan’ny Diakona. Namarana ny fampiofanana ny zoma hariva ny Mpitandrina RAZAFIMAMONJY Dina, avy ao amin’ny Fjkm Katedraly Analakely. Izy indray kosa dia nitondra ireo mpiofana hahafantatra izay tokony ho toetra sy fomban’ny tompon’andraikitra mampandroso fiangonana. Telo volana fara-fahakeliny no haharetan’izao fampiofanana izao ary ny 02 aogositra 2015 no voatondro fa hanokanana ireo vaovao sy handraisan-tanana ireo efa teo. Nisongadina tamin’ny lahateny samihafa fa ny diakona tsara hofana, mahafantatra ny tokony atao sy ny fomba fiasa mifanandrify amin’izany no hahavita sy hahavatra tsara ka tsy handeha zatra amin’ny asa fanompoany ho Voninahitr’Andriamanitra irery ihany. F A N A M B A D I A N A P A S I T E R A RAJARISON V O L A T I A N A
Notontosaina tao amin’ny Fjkm Ambatolampy Antampontanàna ny fanamasinana ny FanambadiandRAKOTOARINDRIAKA Falihery Arthur sy RAJARISON Volatiana Tolojanahary, Mpitandrina miza-draharaha eto amintsika. Ny Mpitandrina RAMANGARIVO Zoly S. Mampionona sy RAKOTOMAHANINA Andriatomady N. Laurel no niaraka nanao ny fanamasinana ity fanambadiana ity ny asabotsy 25 aprily 2015.
5
Tafa Fiderana
VALIN’NY KILALAO TAO AMIN’NY LAHARANA TEO ALOHA FAHALALANA SORATRA MASINA
Apostoly solon’i Jodasy a- Matia 5-Lazao avy ireo loza folo nahazo an’i Egypta araka ny filaharany
1-Iza no anaran’ilay lehilahy taranak’i Adama izay nentin’Andriamani- - RANO TONGA RA tra niara-nandeha - SAHONA taminy ka tsy hita izay - MOKA nalehany - LALITRA b- Enoka - ARETINA TAMIN’NY 2-Firy taona Josefa no BIBY maty - VAY b- 110 - HAVANDRA 3-Tohizo izao: - VALALA Lazaiko aminareo marina - AIZIM-PITO tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny - FAHAFATESAN’NY anankiray amin'ireto LAHIMATOA REHETrahalahiko kely indrindra R A T E O E G Y P T A ireto no nataonareo tamiko. 4-Iza no anaran’ilay
Akoho atao amin’ny moutarde Zavatra ilaina : Nofon’akoho 1/4kg. Moutarde. Tongolo maitso voatetika. Menaka. Sira. Poivre. Oignon voatetika. Voanjo voaendy (1/2 sotro) Fikarakarana azy : Tetehina manify ny nofon’akoho. Asiana moutarde sy tongolo maitso, poivre, sira, oignon. Arotsaka ao amin’ny menaka mafana. rehefa mendimendy dia asiana rano telo sotro sy tapany sy voanjo voapotika (potehina amin’ny sotro). Ketrehina 5 mn dia aroso an-dovia. Mihinana finaritra ô !
TSIKY KELY MIFOHAZA...
Tsy afaka nivavaka i Rtoa Raliza ny Alahady maraina fa Rangahy vadiny irery no nandeha tany
- Nanao ahona ny toriteny tao am-piangonana tao Rainy, hoy Rtoa Raliza - Tsy toriteny no hitako tao Ramatoa fa torimaso a !
6
Tafa Fiderana
HAFATRA MF 06/ SL XVII—(15- 22 Aprily 2015 – CFD Ampandrana)
“Fa ny fanantenana no namonjena ny mino” Rom. 8 : 24a
H
Ry Havana, o aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. Amen ! Ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izay manatanteraka ny fivoriany, arapotoana teto amin’ny CFD Ampandrana tamin’ny Alarobia 15 Aprily ka hatramin’ny Alarobia 22 Aprily 2015, dia manoratra izao Hafatra izao ho an’ny Tomponandraikitra sy ny Kristiana FJKM manerana ny sahan’ny FJKM :
Salamo 62 : 8
Momba ny Dinika ho amin’ny Fampihavanana tarihin’ny FFKM, dia anterinay ny Fanambarana fa Tena asan’ny Fiangonana izany, ary Iraka ampanaovin’Andriamanitra antsika ny mampihavana ny olona amin’Andriamanitra sy ny olona samy olona, araka ny Soratra Masina hoe : “Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo”. I Kor. 5 : 20. Entanina ny Kristiana FJKM rehetra hivavaka ho an’ny FFKM sy ny Zava-dehibe nisongadina, tamin’izao fivoriana Filohan’ny FJKM izay mitarika izany mba ho tanteizao ny nahazoana nanendry ireo Mpiasa vaovao hi- raka eo ambany tana-maherin’Andriamanitra ny rotsaka ho ao an-tanimbolin’ny Tompo dia ireo Mpi- asa. tandrina sy Mpampianatra hivoaka avy amin’ny Toeram-panomanana FJKM. Antenaina hitondra Toy izany koa dia tsy mbola mitsahatra mivaaina vaovao ho an’ny Fitoriana ny Filazantsara, vaka ho an’ny Filoha Mpanampy Laika eto amin’ny hatrany am-paran’ny tany tanterahin’ny Fiangonana FJKM isika mba hananany fahafahana tanteraka sy izany. Isaorana anie Andriamanitra Tompon’ny hiverenan’ny zony amin’ny maha endrik’Andriamavokatra fa Izy no maniraka Mpiasa hanangona ny nitra ny olona. Miombom-po hanao izany isika, aravokatra. Antenaina ny hahaizan’ny Synodamparita- ka ny Soratra hoe : “Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny ny sy ny Fitandremana rehetra mandray izany “zava- miara-mifatotra aminy hianareo, ary izay ampahotsoa” izany amin’ny fifaliana. riana, satria mbola eo amin’ny tena koa hianareo” (Hebreo 13 : 3). Iaraha-mahalala fa anatin’ny fifidianana fanavaozana ireo Tomponandraikitra any amin’ny FitanTamin’ny fo feno fisaorana an’Andriamanitra dremana sy ny Synodamparitany, ny Sampana sy ny no nandraisanay Mpiandraikitra Foibe ny taratasy Sampan’Asa samihafa eto amin’ny FJKM isika izao milaza fa navelan’ny fanjakana hisokatra indray ny koa manafatra ny Tomponandraikitra rehetra mba Radio Fahazavana. Valim-bavaka lehibe nomen’Anhanao izany amin’ny fanajana ny “fahamasinan’ny driamanitra ny Fiangonana izany koa ho Azy irery ny Fiangonana sy Izay Iombonana”, hampiasa ny Fitsi- Voninahitra. “Isaorana anie Jehovah… Izy irery ihapika am-pandaminana momba izany ho fanangona- ny no manao fahagagana” Sal. 72 : 18. Ny lafiny famna fa tsy fanilihana ary tsy hanao ho ambin- pitaovana no hanentanana ny FJKM rehetra mba draharaha ny fiainam-bavaka sy ny Tenin’Andriama- handray anjara amin’izay hananana izany fa ny teo nitra izay tena maha-Fiangonana antsika. Ianareo aloha dia voaroba tsy hita intsony. izay voafidy ho amin’ireny andraikitra masina ireny kosa dia ampaherezina ho mpanompo mahatoky eo Manao veloma ny Mpianakavin’ny Finoana anatrehan’ny Tompo sy ny Fiangonany : “Fa voaso- rehetra amin’ny fanorohana masina sady mampaheratra hoe : “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafate- ry hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo sana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra sady mirary antsika hahatratra ny fanamarihana ny fiainana” Apok. 2 : 10 Andro Niakaran’ny Tompo sy ny Pentekosta 2015. Niarahantsika niaina ny voina nahazo ny firenentsika, nateraky ny rivo-doza sy ny ranobe, nitranga saiky maneraka ny Nosy ka nisian’ireo traboina marobe, indrindra teto Antananarivo sy ny manodidina. Nisy koa ireo tratry ny Kere tany Atsimo. Nijoro ho vavolombelon’ny Tompo manoloana izany isika ka manolo-tanana nanampy ireo havantsika traboina tamin’ny alalan’ny fanentanana sy fandaminan’ny SAF/FJKM. Ankasitrahana izay rehetra nandray anjara tamin’izany ary mbola mampitondra ny teny fampaherezana ho an’ireo havana traboina rehetra ny Mpiandraikitra Foibe ary manolotra ho azy ireo ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Matokia Azy mandrakariva hianareo, ry olona ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika”
Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe Ny Filoha RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina
7
Tafa Fiderana
M
N Y A DY A R A - PA N A H Y anazava ny Baiboly fa tafiditra amin’ny ady ifanandrianan’ny tontolo roa samihafa isika, dia ny ady arapanahy eo amin’ny tsara sy ny ratsy. “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy eny amin’ny rivotra”. (Efesiana 6:12).
Tsy tokony hahatahotra ny herin’i Satana isika rehefa nandray an’i Jesoa Mpamonjy, satria efa voaaron’ny Herin’ny Fanahy Masina, izay ambony lavitra nohon’ny herin’ny Satana. Toy ny saha feno hery ny manodidina antsika ny fiarovan’ny Tompo, ka tsy ho tafiditry ny devoly mihintsy ! Miaro antsika izany hery izany ary mambomba antsika lalandava. “Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ny izao tontolo izao” (1 Jaona 4:4). Mitady ny fomba rehetra hanakanana antsika rehetra ny devoly, kanefa an’Andriamanitra isika fa tsy manana fahefana amintsika izy. Misy antony matoa mamela izany Andriamanitra ary fantany fa hitondra soa ho antsika koa izany. Noho ny devoly tsy manana fahefana ara-batana amintsika dia hanao izay afany izy amin’ny fanoroana vilana antsika amin’ny izay eritreritra, fitondra-tena ary fanapaha-kevitra raisintsika. Tsy tokony hahatahotra ny devoly isika fa kosa tsy maintsy miambina sy mitandrina mandrakariva. Tsy azontsika atao ny minia tsy hahalala ny hevi-petsiny satria hararotiny ny tsy fahalalantsika hanimbana antsika. “Fandrao resin’ny fitak’i satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.” (2 Korintiana 2:11). Fetsy sady maranitsaina ny devoly. Raha hanambara ny tetikadiny aloha izy ka hampiseho ny tandrony sy ny rambony, dia fantatsika avy hatrany ny fikasany. Aleony manodina ny fahamarinana amin’ny fomba feno hafetsena. Raha marary na tra-doza ohatra ny namanao na ianao dia indro ianao fa manome tsiny ny tenanao ianao manao hoe: raha mba tsy nanota aho mantsy dia tsy ho nitranga izao. Ara-dalana ianao raha nieritreritra toy izany. Mety mampianatra lesona anao Andriamanitra, mba hitandremanao ka tsy hiverenan’ny olana intsony amin’ny ho avy. Raha toa kosa ka efa avy nangataka ny Famelan-keloka sy ny lesona tokony hianaranao avy amin’ny izany tamin’ny Tompo ianao, nefa dia kikisan’ny nenina sy ny fanamelohan-tena ihany, dia midika izany fa miasa aminao ny devoly. Miezaka ny devoly hampahatsihahy anao lalandava ny hadisoana nataonao, ary ampitomboiny sy itariny izany mba hahatonga anao ho very fanantenana sy finoana ny amin’ny Fitiavan’Andriamanitra. Ny tanjony dia ny handresy lahatra anao fa tsy afaka mamela ny helokao Andriamanitra tsy hamela ny helokao ny namanao ary rano raraka tsy azo raofina ilay zava-nitranga, ka dia aleo miala maina. Nandresy ny devoly raha tafiditra ao aminao izany toe-po izany. Anisan’ny zavatra tsy maintsy sedrain’ny Kristianina ny hakiviana sy ny fanamelohan-tena. Ireo indrindra mantsy no zavatra kendreny devoly atao: ny hampiodina antsika amin’ny Andriamanitra sy ny fanomezan-tokiny. Finaritra izy manamafy ahiahy, hakiviana sy ny lainga ka tsy hanana finoana, fanantenana amin’ny fanomezantokin’Andriamanitra antsika ary izany dia mainga amin’ny olana toa madinika tany am-boalohany. Satriny isika ho difotry ny tahotra sy ny ahiahy ka tsy ho vitantsika intsony ny hahahita ny valinteny sy ny vahaolana izay nampanantenain’i Jesoa antsika ao amin’ny Teniny. Maro ireo fanomezan-toky nataon’Andriamanitra ho antsika ao amin’ny Baiboly : fanomezan-toky ho amin’ny fahafahana, ny fahendrena, fiarovana, fahasitranana, fandresena, fahombiazana. Ireny dia nomeny antsika mba hahasambatra sy hampivelatra antsika. Sarotra amintsika ny mino zavatra tsy hitantsika maso na tsy tsapantsika miseho. Tian’Andriamanitra raha mahita lavitra kokoa noho ny hita maso isika. Tiany ny hampianatra antsika hatoky Azy sy hino fa afaka manome ny tsara indrindra Izy, na dia toa nisy aza tsy misy antenaina aza ny zava-mitranga. Misy fomba iray fametsen’ny devoly antsika izay nataony matetika. Toy izao ny fitrangany : raha mitalaho amin’ny Andriamanitra momba ny olana manokana iray isika, ka ela vao tonga ny valim-bavaka, na dia tsy arak’izay nantenaintsika ny nitranga dia ararotin’ny devoly izany hampiahiahy antsika. Lazainy fa matoa avelan’Andriamanitra hijaly toy zao isika dia midika izany fa tsy nitazona ny fanomezan-toky nomeny Izy ary koa tsy tia antsika Izy ka tsy ahoany akory izay mitranga amintsika. Ho lefy ny finoantsika raha manaiky izany izany fomba fihevitra izany isika. Ilaina ny mahafantatra fa lainga variraraka afafin’ny devoly mba hanakivy anao izany, hanimba ny sainao, ary hamotika ny finoanao. Aza matahotra ny manohitra sy mamaly ny devoly amin’ny alalan’ny fiantsoana an’i Jesoa hanampy anao amin’ny hevipetsin’ny satana. Tsy maintsy miady isan’andro amin’ny herin’ny ratsy ianao. Tsy mankaiza anefa izany eo anatrehany herin’Andriamanitra “Ary Izaho hanome anareo azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrobaka azy amin’ny tanako. Ny Raiko izay manome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrobaka izay amin’ny tanan’ny Ray.” (Jaona 10:28-29) “Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra dia ny handrava ny asan’ny devoly”(1Jaona 3:8). Farany mety ho resy isika amin’ny fifanoherana vitsivitsy, fa tsy maintsy mandresy kosa amin’ny ady kosa. Avy amin’ny ankolafin’ny mpandresy isika. Tsy maintsy mandresy isika. RAZANAMAHERY Nampoina
8
Tafa Fiderana
« MOA METY VA NY MANDOA VOLA HETRA HO AN’I KAISARA » Matio 22:15-22—Marka 12:13-17—Lioka 20:20-25
H
o tsarina ny fizotry ny tantara. Nihazakazaka ny fandehan’ny fizotry ny raharaham-pirenen’ny Jiosy taorian’ny niakaran’i Jesoa tany Jerosalema, sy ny nandroahany tamin’ny fahefana ny mpivarotra sy ny nanesorany ny varony hiala teo an kianjan’ny Tempoly. Nahaloa -bava ny Fariseo, ny lohan’ny mpisorona, ary ny mpanora-dalàna. Talanjona tamin’ny zava mahagaga izay nataony, ka nametra panontaniana hoe “FAHEFANA MANAO AHOANA NO ANAOVANAO IZAO ZAVATRA IZAO ?” Naniraka ny mpianany ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy ahafahany miampanga Azy. Tsara ho tsipihina eto fa tsy mitovy ny fomba fanoratr’i Matio, Marka, Lioka ny toetran’ny olona nirahina, fa fantatr’i Jesoa : nahalalany ny faharatsiany, nahafantatra ny fahendreny , ary namakiany bantsilana ny fihatsarambelatsihy. Fa ny fampianarana tiana asongadina amin’izao vaninandro diavintsika izao dia tsotra, miainga avy amin’izay nambaran’i Jesoa : Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Voalohany : ny fandoavan-ketra dia fanekena, sy fanomezan -kasina ny fahefam-panjakana. Fa atao inona moa ny HETRA. Raha tsarina dia vola takiana amin’ny olona manana fidiram -bola aradalàna, entina hisahanana ny fampandehanana ny raharaham-panjakana, hananganana fotodrafitr’asa ary enti manana hanatsarana ny fiahiana ny fiainan’ny vahoaka. Be ny hetra miditra, be ny asa azo tanterahina. Faharoa : Fahatsiarovan-tenan’ny olona voataiza, notezaina ho marina amin’ny fampandrosoana ny tanindrazany, koa andraisany anjara ankitsi -po. Fahatelo : Fanandratana ny fiaraha -monina ho samy tompon’antoka, ka hitondra ny anjara birikiny hananan’ ny firenena tanjaka, tsy hitambezo foana amin’ny fianteherana amin’ny fanampian’ny HAFA. Araka ny tarehi -marika dia ny 70% ny teti-bola dia iandrasana ny fanampian’ireo mpampindram -bola, miteraka trosa miavosa ho baben’ny taranaka mifandimby noho ny tahan’ny zana -bola nindramina, avo loatra. Toe -javatra manery ny firenena iankin -doha lava, ka nofy hatramin’izao ny resaka fampandrosoana. Koa na iza na iza tsy mandoa vola ho an’i Kaisara, dia tompon’antoka
amin’ny fahantran’ny firenena, mahakasika ny vahoaka, ka mampirefarefa ny fandriampahalemana, mampirongatra ny vonoan’olona etsy sy eroa, fandrobana fananan’olona. Ny fiainana tena kristiana dia mandala ny fahamarinana, manaiky ny firindran’ny fiaraha-monina, ka manefa ny vola hetra tsy maintsy aloany. Meloka ary fahotana lehibe mbola baben’ny firenena ankehitriny ny fanafoanana ny hetra isan dahy, ny hetran’omby tamin’ny fihetseham -bahoaka ny taona 1972, mba nitondra inona teto amin’ny firenena, nentina fotsiny hamalifaliana vahoaka voafitaky ny ronono an-tavy nation’ireo nandrobaka fahefana, tsy nihevitra afa -tsy ny nangorokarena, sy nifikitra tamin’ny fahefana. Ny olona, na iza na iza, mandala fa ny holatra tavela, entin’ny vahoaka mitoetra foana. Mba ho taitra amin’izay ve ny Malagasy, ka hifoha amin’ny nofinofiny ? Mety ary tsara mba hampisaina ny itondrana tarehi-marika amin’ny lanjan’ny hetra baben’ny isaky ny Faritany enina, hampieritreritra ny tsirairay. Nahoana no misy Faritany itobahan’ny harena, nefa mihitsoka ao anaty fahantrana lalina. Ireto no miteraka ny hetra : TVA, hetra aloa amin’ny fananana (droit d’enregistrement, mutation…), hetra aloan’ny orinasa, hetra aloa amin’ny fanondranana sy fampidirana entana… santionany ireo. Raha raisina ny isan-jatony dia toa izao ny vesatra zakain’ny isam-paritany Fianarantsoa : 0,75% Toliara : 1,09% Mahajanga : 1,90% Antsiranana : 2,57% Toamasina : 5% Antananarivo : 88,7% Ireo tarehi-marika ireo dia notsongaina avy amin’ny Direction générale des impôts. Koa ho raisina ho fahamarinan’Andriamanitra ny fitaizana ny Kristiana hazoto handoa hetra. Ny Fiangonana dia tena manana adidy hamporisika ny olona na inona na inona misy azy eo amin’ny andala-tohatry ny fiaraha-monina, handoa hetra. Eto am-pamaranana ity lahatsoratra ity, hamehezana izay voalaza ao amin’ny Filazantsara araka an’i Marka 10:49 “MATOKIA, MITSANGANA, MIANTSO anao IZY (Andriamanitra). Ho Voninahitr’Andriamanitra. RAZANAMAHERY Modeste
9
Tafa Fiderana ZAIKABEN’NY MPAMPIANATRA SEKOLY ALAHADY, Ambositra
17 mianadahy mianaka ireo mpampianatra Sekoly Alahady avy eto amin’ny Fitandremana nanatrika ny Fihaonamben’ny mpampianatra Sekoly Alahady manerana ny sahan’ny Fjkm tany Ambositra ny 8-10 aprily 2015. Mpizaika miisa teo amin’ny 4 026 no voasoratra anarana ka vinavinaina ho mihoatra ny 4 200 ireo tonga niatrika ny fihaonambe. Any amin’ny toeram-piofanana dia taranja 3 izay vitaina ao anatin’ny 120 ora raha kely indrindra no tsy maintsy atao dia ireto avy : Taranja Haibaiboly (Testamenta Taloha sy Vaovao), Taranja Foto-pinoana mifamatotra amin’ny Tenin’Andriamanitra, Taranja fampiharana. Novoizina nandritra iny fihaonambe iny ary noraisina ho teny faneva ny voarakitry ny Soratra Masina hoe : « mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra. » ( 2 Timoty 3, 17). SAMPATI, HANKALAZA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FAHA -23 TAONANY
Mikasa ny hankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-23 taona nijoroany ny Sampana MPANAZAVA sy TILY eto amin’ny Fitandremana misy antsika. Hosantarina amin’ny fampisehoana iarahana amin’ny Momota sy Momety ny 31 MAY 2015 ny hetsika. Ny 6 jona dia hisy famelabelaran-kevitra iarahana amin’ny SLK izay atolotry ny Jeneraly RAMAKAVELO Désiré Philippe. Toa izao no lohahevitra : « Manomana ny olon-drehetra ho Tompon’Andraikitra ». Ny 7 jona kosa dia hisy ny FANEKENA MPIANDRAIKITRA TILY iray ary FANOLORANA TONIA TILY. Ny 24 jona dia hisy ny AFOMPIFALIANA iarahana amin’ny Fivondronana 108e (Sampati avy ao amin’ny Fitandremana Ilafy Fahazavana). Ny 28 jona 2015, alahady natokan’ny Fitandremana ho an’ny sampana dia hosokafana ny fankalazana an’Andriamanitra noho io tsingeritaona io. Hisy ny fanokanana ireo fanamiana vaovao. Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hanolotra Gala évangélique ny Chorale Trompetra Mahazoarivo. Manomboka ny 15 septambra kosa ny fanantanterahana ny LASIN-JOBILY izay hotontosaina any Vatomandry. Ny 15 Novambra 2015, alahadin’ny Sampati Foibe FJKM, no famaranana ny Fankalazana. Seza vato miisa roa no ho vinaina ho tsangambato. Apetraka amin’Izy Tompon’ny Asa ny hetsika rehetra.
SARY TETSY SY TEROA
10
Tafa Fiderana
MIFOHAZA, MIFOHAZA, TAFIO NY HERINAO ! » Isaia 52:1
A
zo ambara fa tsy misy Fiangonana na iray aza afaka mitopo-teny fatratra fa tsy nandalo, ary tsy mandalo olana. Niharihary toy ny vay an-kandrina ireo izay nitranga tamin’ny Fiangonana niteraka resabe teto amin’ny Firenena : Fjkm Andravoahangy Fivavahana, FJKM Ambondrona Firaisana, FJKM Antanimena Atsinanana… Tsy fitia te-hitanisa, ary hajaina ny fanononana ireo Fiangonana ireo fa tiana hisarihana ny sain’ny tsirairay, araka ny andraikiny avy, hieritreritra lalina ny antony, ary mba ho maika hitady vahaolana, dieny mbola vohitra tsy may, tanàna tsy kila, fa tena marina ny fahasarotan’ny fananganana izay rava, ary ny mamitrana izay rotika. Lesona, sy fianarana izay rehetra miseho na tokony ahatonga saina, tsy hanaovana fitsara-mitanila, na fihinanana amam-bolony. Hisaina sy handinika lalina, ka ahatsiaro tena ho rangory fototry ny afo, sy tena tompon’antoka amin’izay tandrify azy avy. Fa inona loatra anefa ireo antony mampitsingilaila ny firaisan’ny Fiangonana sy manozongozona ny fahamasinany. Voalohany : Tsy fanakianana, fa hatramin’izay nitsanganan’ny SETELA, SEFALA manefy fotsiny olona liana hanitam-pahalalana, fa tsy tena voatefy hiaina sy hitafy ny Soratra Masina, ka nanjary ho fitahiana eo anivon’ny fiaraha-monina. Fahalalana nampievotra ny maro, ho mihoatra na mitovy laharana amin’ny Mpitandrina, teo amin’ny andraikitra notanany, ka nitopoany teny fatratra. Faharoa : Voazarazara ny Fiangonana teo amin’ny fomba fijery fampandrosoana hany ka lasa fifanoherana teo amin’ny mpomba sy ny manakiana ny Mpitandrina ny resaka, fifampiandaniana, nihariharian’ny asan’i SATANA hamotehana ny Fiangonana. Fahatelo : Ny fitopoan-teny fatratra ho tompon’ny fahamarinana, nandevenana ny fanetre-tena sy maha iray ao amin’i Kristy. Nitafiana fandeferana sy fitiavana, nitadiavana fatratra lalana ialana sy idifiana ny fisaratsarahana, mba tsy ho ravi-natentina ny maha-mpiombon’aina, sy ny maha-samy mpianatry ny Tompo, ka hahay HIFANASA TONGOTRA. FANANDRATANA NY VONINAHITRY NY HAFA. Fahafetra : Hanezaka ny tompon’andraikitra hamono afo dieny mbola eo am-piandohana ny loza mitatao, fa tsy hiandry rendrika, vao hiteny hoe « DONY AHO RANOATRA ». Amin’izay mantsy ho voatsimbina ny fahefampiangonana, ary mitafy hasina ny Tompon’andraikitra ho tena ho raisina ho Raiamandreny toa teny sy hajaina. Santionany ireo, hanairana, mba tsy hitafy henatra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, tena ifototra amin’ny hafatry ny Lohany nanafatra hoe « ATAOVY MPIANATRO NY FIRENENA REHETRA ». Ry FJKM ô, MIFOHAZA, MIFOHAZA. TAFIO NY HERINAO ». Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. RAZANAMAHERY Modeste
IREO TETIANDRO TSARA HO TADIDY 17/05/2015 : Pasteur RAKOTOMANANA Jean Rousel, mila miomana mitondra sakafo 10/05/2015 ; 31/05/2015 ; 07/06/2015 ; 21/06/2015 ; 28/06/2015 ; 05/07/2015 ; 12/07/2015 ; 19/07/2015. Araka ny filàna dia mety hisy daty hafa hanampy ireo. Ny Fisindana kosa dia hanomboka ny 23/07/2015. Ny 09/05/2015 dia Fivoriam-ben’ny SPIA. Ny Alahadin’ny PS kosa dia hotanterahina ny 30/05/2015.
11
Tafa Fiderana Anarana RANDRIANIRINA RAVELOJAONA RAZAFITSIAROVANA RAKOTOMALALA RANDRIAMAMONJISOA RANDRIANALY RAVELOJAONA RAZAFITSIAROVANA ANDRIAMIHARISOA RAMANAMISATA RAZAFINDRAIBE RANDRIANALY RAKOTONANAHARY RAZAFIMAHERY RAZANAMAHERY RAKOTOMAMONJY RABENATOANDRO RAZAFINDRAIBE
VATO Fanampiny AZO Feno Romuald 210 Andrianjaka Hanitriniaina 204 Rakotoniaina Paul 197 Rambinintsoaniaina Rija Tahina 191 Noel 191 Johnny Romuald 191 Mihaja Andriampanarivo 189 Tsiry 187 Hosea Salema 184 Solondraibe Richard 184 Louis Hajason 184 Herve Rodolphe 179 Martial Emmanuel 178 Andriamanamizakarivo 173 Nampoina 169 Norbert 164 Lantoniaina Nirina Harintsoa 160 Tovo Harilala 160
RAZAFINDRAIBE RALAIVAHOAKA
Andry Dera
151
RANDRIANALY RANAIVO ANDRIAMAHOLINTSOA RAKOTOARIMANANA RAMAROMANANA RASOLOTIANA RAZANAMAHERY RAKOTOMALALA RAMAROMANANA RAZAKAMALANTO RANDRIAMPARANIARIVONJY RAKOTO SEDSON RAKOTONANAHARY RALAMBOVELO RATSIMBAZAFY RANDRIAMANGA RATEFIARISON RASAMINDISA RABEZANAHARY ANDRIAMIHARISOA
Parany Romeo Andrianomanana Rivoarivelo Rivotiana Rivo Harison Fanomezantsoa Percy Honore Harisona Theodore Zoe Maurice Claude Anjavelo Heritsara Fanantenana Heriniaina Solofo Haja Ary-Lanto Jacky Harifidy Tommy Michel Nirina Alain Michel Rija Dera Antema Fehizoro
149 148 147 147 145 143 143 140 138 132 127 120 119 118 110 109 106 103 100 95
Mety hahaliana anao ity !
A R T O R A B M A K O D Manatona ny Mpiandraikitra raha manana tolotr’asa na tolotra hafa mahaliana ny mpiara-mivavaka amintsika ianao !
Anarana ANDRIAMIARAMBOLANORO RABEHERISOA RASOLOFOMANANA RAMANANA-RAHARY RANDRIANARIVELO DIMBIARIJAONA RAHANTAMALALA RAKOTOARIVELO RAZANADRAMELINA RAVAOMIHANTA RAMAHAFADRAHONA RAZAFINDRAMPARANY VIOLETTE RAKOTONDRAVOKATRA RAZAIARISOA RAZAFINDRAIBE RANIVOARISOA RANIVOHARINTSOA RAZANADRAKOTO RAHAINGOVAHOAKA RAMALASON RABODOMANANA RAKOTOMALALA RAKOTONDRAZAKA RAKOTOARISON RAKOTOMALALA RAHARIMALALA RANDRIAMANGA RAKOTOSALAMA ANDRIANARISOA RAHARISEHENO RAVOLOLONIRINA RAHARINJATOVO RANDRIATSARA RABARIJAONA RAFARAMALALA RAZANAJAFY RAZAFITSIAROVANA RAMIHANTARILALAO
Fanampiny Tina Myriam Patricia Hanitra Nivo Sahondra Hasinarivo Eva Soanirina Hoby Dina Mahery Farasoa Annie Elisa Jacqueline Robertine Yolande Samueline Malalatiana Elise Hobinirina Voahangy Seraphine Julie Mampianina Rija Julie Holiniaina Philiberte Bakoly Tovoherintsoa Rindra Olga Vololonirina Liliane Saholy Eliane Miarisoa Malanto Nomenjanaharisoa Ericka Fanja Laurence Simonette Claudine Henintsoa Haingo Tiana Vola Innocente Vololomboahangy Celine Odile Sahondratiana Voahirana Ndrasana Faramaminiaina Sylvia Fanja Josephine Tahina Olivine Lea
VATO AZO 225 194 193 193 191 191 189 188 175 174 172 167 163 163 160 153 151 146 143 142 140 137 135 127 127 126 125 122 118 118 111 110 108 101 100 99 97 92 88
TRANO AHOFA an’ny FOIBE FJKM
Toerana : Ankadiefajoro, 3 Km miala avy eo Andoharanofotsy . Efitrano (Lehibe sy kely), cuisine, WC, Douche misy tokotany malalaka, mifanila amin’ny tranon’ny mpiambina. Ho an’izay liana dia iangaviana mba hanatona ao amin’ny Rihana faha-6, Varavarana 601 na 604, FOIBE FJKM Ifanomezantsoa Analakely.
12
Tafa Fiderana
MANOME FIAINANA NY MINO NY TOMPO !
VAOVAON’NY SAMPANA TANORA KRISTIANA Nangonon’i RASOLOFOMANANA Sahondra
APRILY 2015 : IRAY VOLAM-BOKATRY NY S.T.K.
« Mpanompo tsy mahasoa izahay fa izay tokony natao ihany no nataonay fa Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra tamin’izay rehetra vita, ary fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny rehetra nandray anjara, nanohana, nitrotro am-bavaka. Isaorana manokana ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fitandremana, ny Centre Fiderana, ny SLK ary ireo ankohonan’ny mpikambana STK rehetra.
A
raka ny tetiandron’ny Fitandremana FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA dia voalahatra ho IRAY VOLAM-BOKATRY NY SAMPANA TANORA KRISTIANA ny volana APRILY 2015.
Teo ihany koa ny KERMESSE BIBLIQUE, fitoriana ny filazantsara tamin’ny ankizy sy ny tanora ao anatin’ny Lalao sy kilalon-tsaina. Nisy 123 hatramin’ny 224 ny isan’ny ankizy sy tanora nandray anjara tamin’izany (12-18-19/04/2015).
Nanatanteraka hetsika samiAmbara fa tena niavaka ho hafa ny STK izay niompana tamin’ny an’ny STK ity iray volana indray mafitoriana ny Filazantsara tamin’ny ka ity satria, hatramin’izay taona ankizy sy ny tanora ary teo amin’ny lasa rehetra izay, dia fitadiavamankohonana. bola no tanjona amin’ny iray voNisy ny lan’ny sampana. Tamin’ity kosa dia Fankalazana ny nisafidy ireo mpikambana mba hizaPASKA tamin’ny ra sy hitsinjo ka ho velona ho an’ny Antsan-kira nara- hafa ho fampiharana ny lohahevitra hina tantara an- nobanjinina nandritry ny volana hoe tsehatra nitondra MANOME FIAINANA NY MINO NY ny lohateny hoe TOMPO. P A S K A Namafy no anjara nataon’ny FIOVANA, nifaSTK ary nahatsapa sy niaina izy ireo rimbonan’ny fa tena mahasambatra kokoa ny Antsa Fiderana sy nanome noho ny nandray. Ny Fanany Tanora Teahin’Andriamanitra kosa anie no hiasa traly avy ao Ambavahaditokana. mahery ao am-pon’ireo izay nandre (05/04/2015) ny Teny ka hisy fiantraikany eo Nisy ny fampianarana nen- amin’ny fiainany manokana sy ny tin’Andriamatoa RANDRIANATOAN- fiainan’ny ankohonana izany fa tsy DRO Rolland natao tamin’ny ankoho- handalo fotsiny ihany satria manana nana, nahazoana namelabelatra adidy amin’izay norenesiny ny tsiraitamin’ny ray aman-dreny 157 ray : hankato sy hiaina izany àry (12/04/2015) izay tokony ho toetra hampita ihany koa. Izay ilay hoe ananana hiatrehana ny fitaizana Mandray ilay Fiainana nomen’ny mahomby sy mahatsara ny tarana- Tompo ary mizara ihany koa fa tsy tia ka ; nahazoana ihany koa nampaha- tena ka mamihina ny soa eo anfantatra ny ankizy sy ny tanora mi- tanany. hoatra ny 13 taona niisa 91 izay Ny iray volana no tapitra fa tokony ho fitondran-tena manoloana ny asa dia mitohy hatrany. Tafika ny revy sy ny ditra ary ny ren- masina indray izao no hetsika manadrarendra. Efa azo henoina ao raka, iombonana sy ifarimbonana amin’ny pejy Facebook-n’ny Fitan- amin’ireo sampana velona eto dremana ireo fampianarana ireo. amin’ny fitandremana.