1 minute read
Ny Fijalian'i Kristi (mg)
Fotoana fohy talohan’ izao dia nijoro toy ny hazo sedera matanjaka Jesosy, nanohitra ny tafiotry ny fanoherany nifofofofo namely Azy; ny Jesosy azy niady irery tamin’ ny herin’ ny maizina ny zavaboary. Ny sitrapo kirina sy feno haratsiana sy hafetsena dia niezaka foana hahavery hevitra sy handresy Azy. Nijoro tamin’ ny fahalehibeazan’ Andriamanitra Izy tamin’ ny maha-Zanak’
Andriamanitra Azy. Ankehitriny kosa dia toy ny volotara naondriky ny tafiodrivotra masiaka Izy; eo ambanin’ny vesatry ny fahotana sy iharan’ny fampijaliana mihoatra ny natoraly. Taonjato maro talohan’ ny nanomboana Azy teo ambonin’ ny hazo fijaliana dia efa nolazain’ ny Mpamonjy mialoha ny fomba hitondrana Azy. Voasoratra hoe : «Fa mitangorona Amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra Ahy. Manindrona ny tongotra aman-tànako hoatra ny liona izy. Mahisa ny taolako rehetra aho. Ireo dia mibanjina sady mangarika ahy. Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany» . Nafofofofon’ ireo fahavalon’ i Jesosy taminy ny haromotany raha nihantona teo ambonin’ ny hazo fijaliana Izy. Ireo mpisorona, ireo mpanapaka sy ireo mpanora-dalàna dia niaraka tamin’ ny vahoaka nisafoaka naneso Ilay Mpamonjy niala aina. Ity boky ity dia manambara ny fitiavana sarobidy, ny fiainana tsy misy fiafarana ary ny firehetan'i Kristy...