MADAGASIKARA
#MondeEnCommun
Écoliers Antanetibe au lycée © Cyril Alcibiade Le Tourneur de Pommayrac d’Ison à Jacmel © Dominique de Longevialle
MADAGASIKARA
Madagasikara
MADAGASIKARA
Ao atsimo andrefan’ny ranomasina indiana no misy an’i Madagasikara ary ny lakandranon’ny Mozambika no manasaraka azy amin’ny kontinanta afrikana. Iray amin’ireo nosy lehibe indrindra manerantany i Madagasikara (manakaiky ny sivy alina sy dimy hetsy kilometatra toradroa (590 000 km2) ny velarany, miisa telo amby roapolo tapitrisa (23 tapitrisa) ny mponina ao.
MOZAMBIKA Mahajanga Toamasina Antananarivo Antisirabe
Anisan’ireo firenena tsy mandroso indrindra i Madagasikara, eo INDIAN amin’ny laharana faha 154 (efatra amby dimampolo amby zato) OCEAN Fianarantsoa amin’ny 188 (valo amby valopolo amby zato) no misy ny nosy raha ny fampandrosoana ny maha-olona no resahina (IDH, 2015). Tsy mihoatra ny 450 (dimampolo sy efajato) dolara isan-taona ny vokatry ny famokaran-karena anatiny isan’olona ary maherin’ny (91%) iraika 0 km 1 000 km amby sivifolo isan-jaton’ny mponina no miaina am-piandohampahantrana amin’ny roa (2) dolara latsaka isan’andro. Miharihary ny tsy fitoviana ara-piaraha-monina sy ara jeografia ary mitovy amin’ireo hita any amin’ny tany misy ady sy valan’aretina ny mari-tondro sosialy. Nefa mananakareana ara-olona sy tontolo iainana sarobidy indrindra i Madagasikara. Maherin’ny (80%) valopolo isan-jaton’ny karazam-biby sy karazan-javamaniry eto Madagasikara no tsy hita afa-tsy eto ihany. Saingy marefo izany tontolo iainana izany: iray amin’ireo firaisan-tontolo iainana mora simban’ny fiovaovan’ny toetr’andro indrindra, na koa ny fikoan-tany ary ny loza voajanahary.
Ny AFD eto Madagasikara Faritra laharam-pahamehan’ny fiaraha-miasa frantsay Mifantoka amin’ny fampihenana ny fahantrana ny asan’ny AFD eto Madagasikara. Mifamatotra amin’ny lafin-javatra telo izany: ■■ Ny tanàn-dehibe: manampy amin’ny fampandrosoana ny tanàndehibe, voafehy, tsy miangatra ary maharitra. ■■ Faritra ambanivohitra: mampandroso ny fambolena maharitra sy ny fiarovana ny zava-manan’aina samihafa. ■■ Fampianarana-fiofanana-asa: manamafy ny fampianarana aorian’ny ambaratonga fototra sy fiofanana arak’asa mba hampan drosoana sy hanomezan-danja ny talenta ananan’ny tanora. Manohana koa ny fandrosoan’ny sehatra tsy miankina ny AFD ka ao anatin’izany ny fanohanan’ny PROPARCO. Mifantoka indrindra amin’ny famatsiam-bola madinika sy salantsalany ary ny fanondranana entana eto Madagasikara ireo fanohanany. Firenana lahara-pahamehan’ny fiaraha-miasa frantsy I Madagsikara ary mahazo tombon-tsoa amin’ireo karazam-pamatsiambola atolotry ny AFD: fanampiana, fampindramam-bola ary antoka. Manohana ihany koa ny asan’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG) ny AFD sy ny vondron’olona frantsay eto an-toerana (fiaraha miasa itsin-jaram-pahefana) indrindra ireo miasa eto Madagasikara.
Fitsinjarana ny famatsiam-bolan’ny AFD (2015) Isan-tsehatra Sehatra tsy miankinaé Fahasalamana
14%
Fambolena sy tontolo iainana
4%
Fampianaranafiofanana arak’asa
12%
Fampandrosoana ny tanan-dehibe
58%
12%
Isam-pitaovana Antoka 8% Famatsiambola ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana
19%
Fampindramambola
30%
Proparco 2% Fanampiana
41%
MADAGASIKARA
Mampifanaraka ny fambolena maharitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana Ny fambolena no seha-piasana voalohany nefa voafetra ihany ny fandraisany anjara amin’ny famoronan-karem-pirenena, na dia betsaka aza ny vokatra tokony ho vitany. Noho izany, manohana ny fampandrosoana fambolena mandray andraikitra sy maharitra no sady miaro ny biby sy ny zava-maniry mampiavka ny Nosy ny AFD. Ny tetik’asam-piarovana ny ala hatrany ifotony (4 M€) efatra tapitrisa euro ohatra no nahafahana nitondra fifandimbiasam-pomba fitrandrahana ny tontolo iainana voajanahary mba hahafahana mamaly ny filan’ny mponina. Mampandroso koa ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny zava-boahary ny AFD. Mifantoka amin’ny fanovaovana ny vokatra ho an’ny sakafo sy/na ho an’ny varotra no sady miaro ny tontolo iainana io fomba io. Ankoatr’izany, manohana ihany koa ny fampandrosoana ny sampan’asa ho an’ny mpamboly toy ny tahirim-bola azo ampiasaina isam-paritra ho an’ny fampandrosoana fambolena sy ny foiben’asampambolena mikambana. Ny fanohanana ara-teknika, ara-pitaovana na ara-bola ho an’ny mpamokatra no tena vatsian’izany lamindraharaha izany. Maherin’ny enimpolo tapitrisa euro(60 M€) no natolotry ny AFD ho an’ny fambolena sy ny fiarovana ny tontolo iainana tao anatin’ny folo taona.
Ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG), mpiara-miasa fototra Raisin’ny AFD ho toy ny mpiara-miasa manana tombontsoa manokana ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana. Akaiki’ny vahoaka ary manana fahaiza-manao manokana, noho izany, miavaka amin’ny fahaizany mampiditra paikady vaovao sy ny fahaizany mamorona ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana. Eto Madagasikara no mavesa-danja indrindra ny famatsiambolan’ny AFD ho an’ny fikambanana tsy miankina. Telopolo tapitrisa Euro (30 M€) no natolotry ny AFD ho an’ny tetik’asa miisa enimpolo (60) eo ho eo hatramin’ny taona 2009. Mandrakotra sahan’asa maro toy ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, fampidirana ara-piaraha-monina sy arak’asa, ny rano sy ny fanadiovana, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny zon’olombelona ary ny fitantanana.
Nalaina tamin’ny andian-tsary « les grands moyens » nalain’i Joan Bardeletti mikasika ny orin’asa madinika sy salantsalany afrikana miorina ao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Manana fahaizana manokana amin’ny ompy an-drano indostrialy ny angadin-drano ny IOT. Ampidiriny amin’ny asa ataony ny tanànana mpanjono mitokatokana, izany dia ahafahan’izy ireo mamorona fidiram-bola fanampiny @ Joan Bardeletti.
MADAGASIKARA
Vinavinan’asa lalankely @ Cyril Le Tourneur d’Ison
Mampandroso ny tanan-dehibe maharitra Ho lasa mponina an-tanan-dehibe ny atsasaky ny vahoaka Malagasy afaka 20 taona. Misedra olana ara-toe-karena sy ara-tsosialy mafy dia mafy ny tanan-dehibe eto Madagasikara. Tsy fahampian’ny asa ara-dalana, tsy fandriam-pahalemana, tsy fahasalamana, fepetra ara-pahasalamana eny amin’ny fari-bohitry ny mahantra, ny tsy maha mari-pototra ny fiainana an-tanandehibe, sns. Mitambesatra ihany koa ireo mpanimba ny tontolo iainana: ny loto an-tanàn-dehibe sy amin’ny orinasa (rivotra, fako isan-tokantrano sy amin’ny orinasa, fikoan’ny tany an-tanàn-dehibe sy ny tondra-drano). Ny AFD dia mampiakatra ny fomba fijery ny tanàn-dehibe: monina, mivezivezy, miasa, manjifa, amin’ny fampidirana izay fomba azo ivoahana mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fitsinjovana ny fifandraisana ara-piaraha-monina, ary koa ny tontolo iainana, ny fahasamihafanaara-javaboary sy ny harembakoka. Tao anatin’ny 10 taona dia namatsy vola mihoatra ny efapolo tapitrisa (40 M€) ny AFD mba hanorenana tanan-dehibe tsaratsara kokoa eto Madagasikara. Ary tamin’ny taona 2016 dia efa nanakaiky ny dimy amby dimampolo tapitrisa (55 M€) ny lelavola natokany AFD mba hamatsiana tetikasa an-tana-dehibe vaovao eto Antananarivo renivohitra sy any amin’ny tanàn-dehibe enina lehibe eto amin’ny nosy.
Manavao ny fokontany marefo Namatsy vola tetik’asa lehibe hanafoanana fitokanamonina sy hanadiovana fokontany marefo ny AFD hatramin’ny taona 2011. Io vinavinan’asa io, izay atao hoe “lalankely” dia manampy amin’ny fanavaozana, saika ny fokontany manontolo amin’ny tanan-dehibe. Totohabato, lalankely ary lalana azo aleham-piara 140km no namboarina teny amin’ny fokontany tsirairay, miaraka amin’ny fantso-milevina mba hanatsarana ny fivoahan-drano maloto sy ranon’orana. Nanorenana fotodrafitrasa momba ny fanadiovana ihany koa (paompy, fatsakana, fanasan-damba, trano fidiovana ary fanariam-pako). Amin’ny vola novatsiana mihoatra ny 14 tapitrisa Euro (14 M€) dia olona an-tapitrisa eo ho eo no efa nahazo tombontsoa sahady ity tetik’asa ity, izay mampifandray ny fahefam-panjakana sy ny mponina eny amin’ny fokontany voakasika. Mpiasatana-maro, tanora sy tsy ampy fahalalana no nanatanteraka ny ampahany betsaka indrindra tamin’ny asa ary nandray anjara amin’ny famoronana asa sy ny fampiofanana ny tanora Malagasy izany tetik’asa izany.
MADAGASIKARA
Manamafy ny fifamatorana fanabeazana fiofanana asa Nihen-danja ny fampianarana Malagasy hatramin’ny fahaterena ara-toe-karena tamin’ny taona 2009 raha efa nihatsara nandritra ny folo taona. Ankizy 1,4 tapitrisa ankehitriny no mety tsy ho tafiditra an-tsekoly intsony. Ho vahaolana dia manohana ny fanabeazana mendrika ny AFD. Manohana fanofanana mpampianatra sy mpiasan’ny ministeran’ny fanabeazana ny tetik’asa fanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara (AQUEM 10 tapitrisa euros) natomboka tamin’ny taona 2012. Mamatsy vola ny fampitaovana sy ny fanamafisana ny fahaizamitantana ao amin’ny ministeran’ny fanabeazana momba ny fandaminana drafitr’asa sy ny fitantanam-bola ihany koa.
Eo amin’ny sehatry ny fiofanana arak’asa dia vitsy dia vitsy ny tolotra misy etoan-toerana manoloana ny filan’ny tsenan’asa. Ny andraikitry ny AFD izany dia manohana ny fanavaozana izany amin’ny fanamafisana ny fisahazan’ny tolotra sy ny tinady. Mamatsy vola ho an’ny fanorenana sekoly fianarana asa roa mikasika ny asa momba ny kajy mirindra sy ny asa momba ny hotely miaraka amin’ny orinasam-pirenena ity sampan’asa ity. Nanolotra vola mihoatra ny 3 tapitrisa euros (30 M€) natokana ho an’ny fanabeazana sy ny fiofanana arak’asa ny AFD hatramin’ny taona 2014.
Tetik’asa fanamafisana ny fahefa-mivarotra @ Cyril le Tourneur d’Ison
Miara-dia amin’ireo mpisehatra tsy miankina Malagasy Manana herim-bitana maro Madagasikara ary anisan’izany ny fanjariana ny rafitra fototra ao aminy. Nandritra ny fahaterena ara toe-karena nanelanelana ny taona 2008 sy 2013 dia natanjaka sy navitrika tokoa ireo mpisehatra tsy miankina sy mpandraharaha vola. Izany no antony anohanan’ny AFD ny fampandrosoana ny PME (orinasa madinika sy salantsalany) voalohany indrindra amin’ny famoronanaasa eto an-toerana. Manakaiky ny 20 tapitrisa euro (20 M€) no natolotra ny sahan’asa nanomboka ny taona 2006 tamin’ny alalan’ny fampitaovana samihafa. Manamora ny fidirana amin’ny famatsiam-bola ho an’ny orinasa tokoa ny AFD amin’ny fanolorana antoka ny banky (ARIZ)
sy fanohanana petra-bola-piantohana eto an-toerana (Solidis, FDGM). Hatramin’izao, ny AFD dia nandrotsaka antoka hatramin’ny 23 tapitrisa euros (23 M€) ho an’ny tetik’asan’ny orinasa. Afaka mampiasa rafitra fototra orina mpanondrana entana any ivelany lehibe maneho ny harena voa-janahary sy ny mpiasa tena sy ny mpiasa tena ao aminy I Madagasikara amin’ny alalan’ireo vokatra sy asa ara-toekarena aondrana any ivelany mahery ny 1 500. Manohana ny fampandrosoana ireo orinasa ireo ihany koa ny AFD amin’ny alalan’ny sampan’asa mpanohana ny fanondranana entana any ivelany.
AGENCE FRANÇAISE DE DÉVELOPPEMENT
MADAGASCAR
Tahirimbolam-panjakana frantsay ho n’ny tontolo iainana eran-tany. Fitaovana ara-bolan’ny politika frantsay momba ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana, ny FFEM dia natokana ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana eran-tany any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy ireo firenena madiva ho afaka amin’ny fahantrana. Amin’ny lelavola 90 tapitrisa euros (90 million d’euros) natokana hiasany eo anelanelan’ny taona 2015-2018, ny FFEM dia manara-maso ny asa fanavaozana momba ny toetrandro, ny zava-miaina isankarazany, ny rano iraisam-pirenena, ny fahasimban’ny tany, toy ny tevy ala, ny fandoto organika maharitra, ny ozone miparitaka amin’ny velaran-danitra avo. Ny faran’ny taona 2015 dia antotsorabola mitentina 331 tapitrisa euros (331 millions d’euros) no navoakan’ny FFEM, miaraka amin’ny kitapom-bola ho an’ny vinavinan’asa miiasa 285, izay ao afrika sy mediteranea ny 67%.
www.proparco.fr.
www.ffem.fr - ffem@afd.fr
Agence Française de Développement www.facebook.com/AFDOfficiel
AGENCE FRANÇAISE DE DÉVELOPPEMENT 5 rue Roland Barthes 75598 Paris Cedex 12 – France Tél. +33 1 53 44 31 31 Fax +33 1 44 87 99 39 www.afd.fr
@AFD_France twitter.com/AFD_France
AGENCE ANTANANARIVO 23 rue Razanakombana Ambohijatovo BP 557 – Antananarivo – Madagascar Tél. (261 20) 22 200 46 à 48 Fax (261 20) 22 347 94 Email: afdantananarivo@afd.fr madagascar.afd.fr
Agence Française de Développement www.youtube.com/user/GroupeAFD
Rantsan’ny AFD natokana ho an’ny sehatra tsy miankina. Ny Proparco dia mandray anjara amin’ny fam pandrosoana maharitra nndritra ny 40 taona eo ho eo. Hita any amin’ny firenena 80 ao afrika, azia, amerika Latina na koa moyen orient ary mandray anjara amin’ny famatsiana ara-bola, fanaraha-maso ny fanajarina ara-bola sy ny sampan’asa ara-bola.
Famoronana: Planet 7 – Febroary 2017
Tsy fahita afa-tsy eto madagasikara ny sifaka sy ny varika, anisan’ireo tandimdomin-doza, vokatry ny fanimbana ny ala sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ny sifaka sy ny varika.@ Alexandre Rabitchov
FCBA/08-08892 / Voamariny PEFC / Lo vokatra io dia avy amin'ny ala voatantana maharitra ary voaaramaso ny fiaviany/pefc-France.org
Ny Agence Française de Développement (AFD), sampan’asa ara-bola miankina amin’ny fanjakana, izay manatanteraka ny politika nosoritan’ny fitondram-panjakana frantsay, dia miasa ho an’ny ady amin’ny fahantrana sy manampy amin’ny fampandrosoana maharitra. Misy manerana ny kaontinanta efatra amin’ny alalan’ny tambajotra, misy birao 75, ny AFD dia mamatsy vola sy manara-maso ny tetik’asa izay manatsara ny faripiainan’ny mponina, manohana ny fiakaran’ny ari-karena ary miaro ny planeta. Tamin’ny taona 2015 dia lelavola 8,3 arivo tapitrisa euros no natokan’ny AFD hamatsiana vola tetik’asa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy ho an’ny any ampitan-dranomasina.