Efa akaiky io fotoana io. Amin’izao andro izao dia manambara ny famantarana ny fotoana fa mijoro eo amin’ny tokonam-baravaran’ny fisehoan-javatra lehibe sy manetriketrika isika. Ny zava-drehetra eto amin'izao tontolo izao dia mikorontana. “Ary handre ady sy filazana ady hianareo....Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana, ary hisy mosary sy areti-mandringana ary horohorontany any amin’ny tany samy hafa”. Fotoana mahaliana be ho an'ny velona rehetra izao ankehitriny izao. Eo an-tampon'ny krizy goavana izao tontolo izao. Ny anjely izao dia manakana ny rivotry ny fifandirana mba tsy hitsoka mandra-pahatandreman’ izao tontolo izao ny amin’ ny loza ho avy; fa misy tafio-drivotra mifofofofo mifofofofo amin'ny tany; ary rehefa asain'Andriamanitra hamaha ny rivotra ny anjeliny, dia hisy ny fifandirana izay tsy hain'ny penina hambara.