Azo antoka fa hanamboatra ny lalàny ny olona mba hanoherana ny lalàn’ Andriamanitra. Hiezahany izay hanereny ny feon’ ny fieritreretan’ ny hafa, ary noho ny hafanam-pony hanamafy ireny lalàna ireny dia hampahory ny mpiara-belona aminy izy. Ny ady atao amin' ny lalàn' Andriamanitra, izay nanomboka tany an-danitra dia hitohy hatramin' ny faran' ny andro. Hosedraina ny olona tsirairay. Fankatoavana na tsy fankatoavana. izany no zavatra tsy maintsy hotapahin' izao tontolo izao manontolo. Hantsoina. ny rehetra hisafidy na ny lalàn' Andriamanitra na ny lalàn' ny olombelona. Eo no hamaritana ny faritra fampisarahana. Tsy hisy afa-tsy antokon' olona roa. Samy ho tonga eo amin' ny fahafenoany ny toetra amam-panahin' ny tsirairay ; ary hasehon' ny rehetra izay nofidiny na ny hiandany amin' ny fahatokiana amin' Andriamanitra na amin' ny fikomiana.