Tamin’ny fotoana nanorenan’ny lalàna ny Kristianisma voalohany, dia lasa fiteny iombonan’ny faritra andrefan’i Eoropa ny teny latinina simba. Ny litorjian’ ny fiangonana, araka izany, sy ny fandikana ny Baiboly izay novakiana tany ampiangonana, dia samy tamin’ ny teny latina simba; izany hoe amin’ny fiteny iombonan’ilay firenena, Taorian’ny fandresen’ny firenena barbariana tamin-kerisetra ny empira romanina, dia nitsahatra tsy ho fitenin’ny faritra rehetra tany Eoropa intsony ny latinina. Saingy ny fanajana ny vahoaka dia mitahiry ho azy ireo endrika sy fombafombam-pivavahana efa niorina ela be taorian'ny toe-javatra tany am-boalohany izay nampiditra sy nahatonga azy ireo ho antonona, dia tsy nisy intsony. Na dia tsy azon’ny vondron’olona betsaka intsony àry ny latinina, dia mbola nitohy natao tamin’io fiteny io ihany ny fanompoana manontolon’ny fiangonana.