Gender & IWT - report summary (Malagasy)

Page 1

TATITRA FAMINTINANA

FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY & VAROTRA BIBIDIA TSY ARA-DALANA TSY VOAJERY ARY NOHAMAIVANINA

Ity tatitra ity no famintinana sy fanombanana voalohany mikasika ny fiatraikan’ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny varotra bibidia tsy ara-dalàna maneran-tany (IWT). Ity tatitra ity dia notsongaina tamin’ny fikarohana mihevitra ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy, porofo avy eny ifotony sy foto-kevitra mifandraika amin’ny fihazana, fanondranana sy fampiasana vokatra azo avy amin’ny bibidia ary koa ny fitantanana sy ny lalàna iraisam-pirenena. Tamin’ny alalan’izany antotan-kevitra izany no nandraisana « rafitr’asa mihevitra ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy » hampiasaina ho torolàlana amin’ny tetikasa IWT, ny famolavolana lalàna sy ny firotsahana an-tsehatra amin’ny alalan’ny fanaovana fanadihadiana ny fiatraikan’ny fahasamihafana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny mpandray anjara, ny mpitondra sy ny vokatra ary ny dingana tokony ho raisina. Voarakitra amin’ity tatitra ity ihany koa ny zavatra takiana ho fanatanterahana ny fikarohana sy ny mety ho vahaolana amin’izany, eo an-toerana sy maneran-tany.

« Fahasamihafana eo amin’ny lahy sy vavy & Varotra bibidia tsy ara-dalàna, tsy voajery ary nohamaivanina » mivoaka amin’ny jolay 2021. Nosoratan’i Joni Seager Raha mila fanazavana fanampiny, manorata amin’ny : Rob Parry-Jones, Filohan’ny sampana mandray antanana heloka atao amin’ny bibidia, WWF Iraisam-pirenen rparryjones@wwfint.org

1 NY TSY FIHEVERANA NY FIATRAIKAN’NY FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY MANOLOANA NY IWT DIA MAHATONGA NY FIATREHANA NY HELOKA ATAO AMIN’NY BIBIDIA HO « MANDEHA ILA ». Mahatonga fahabangana lehibe izany amin’ny fahafantarana ny hetsika IWT tena izy sy ny fizotrany ary ny fahafahana miditra an-tsehatra. Ny fiheverana ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fanadihadiana IWT kosa nefa dia mety hitondra fahombiazana eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary mety hitondra makany amin’ny fanovana ny tsy fitoviana ara-tsosialy. Ohatra amin’izany ireo vehivavy atao an-kilabao any amin’ny Kafue National Park any Zambia, izay tsy misy azo atao ivelomana afa-tsy ny mampian-trano sy mivarotena amin’ireo mpihaza. Vokatry ny henatra sy ny tahotra ireo mpihaza dia manafina ny momba ireo mpihaza ireo vehivavy ireo mba tsy ho afa-baraka.

1|tatitra faminintinana

Ny firesahana ireo tsy fitoviana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy dia manamafy ny ezaka amin’ny fiadiana amin’ny famonoana bibidia ary koa manampy amin’ny fiadiana ilay tsy fitoviana izay niteraka izany olana izany. Fanampin’izany rehetra izany, ny tsy fiheverana ny vokatry ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy manoloana ny dingana raisina amin’ny IWT dia mety hanamafy ny tsy fitoviana sy fahasamihafana ary tsy mahasoa na ny vehivavy na ny fiarovana ny tontolo iainana -- raha toa ka tokony ho hetsika sady mampihena ny IWT no manamafy ny fitovianjo eo amin’ny lahy sy ny vavy izany.

TOHIN’NY FAMINTINANA


FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY TATITRA VAVY & NY VAROTRA BIBIDIA TSY ARA-DALANA FAMINTINANA TSY VOAJERY ARY NOHAMAIVANINA 2 NY FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY, NY FENITRA SY NY TSY FITOVIANA NO MANAMAFY SY MAMOLAVOLA NY IWT SY NY FIATREHANA AZY.

5 MAHAZO TOMBON-TSOA AMIN’NY FIATREHANA NY FAHASAMIHAFANA MISY EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY IHANY KOA NY LEHILAHY.

Koa satria any amin’ny tontolo voafaritry ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy ny IWT dia misy fiatraikany eo amin’ny mpandray anjara, ny zavatra atao, ny vokatry ny IWT (ary koa ny ezaka fampihenana na fanafoanana izany) ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Samy manana ny anjarany ary matetika samy manana ny fomba fijeriny ny lahy sy ny vavy eo amin’ny IWT, manomboka any amin’ny fihazana sy ny fampiasana ny vokatra ka hatrany amin’ny fiatrehana ny lalàna. Tsy mitovy ny sanda sy ny tombon-tsoa amin’ny fihazana, fanondranana ary ny fampiasana ny vokatra azo avy amin’ny bibidia eo amin’ny lahy sy ny vavy, ary tsy mitovy tahaka izany ihany koa ny sanda sy tombon-tsoa azony avy amin’ny fampihenana sy fanafoanana ny IWT. Mila mahazo izany fahasamihafana izany isika alohan’ny hiresahana ny IWT.

Ny fampidirana fisainana mikasika ny lahy sy ny vavy dia manova rafitra efa lalim-paka mikasika ny lehilahy sy ny fijery ny lehilahy. Tsy vitsy ny lehilahy tafiditra amin’ny fihazana, noho ny vehivavy na lehilahy zokiolona, manambany azy satria tsy tena lehilahy izy, araka ny fijery mahazatra, raha tsy manao izany. Ny fiheverana fa tokony hanao ny asan’ny mpiambina milanja basy ny tena lehilahy dia mahatonga azy ireo ho eo amin’ny toerana mety hampidi-doza. Ny asan’ny mpiambina hanjakan’ny lehilahy dia mety hiteraka olana eo amin’ny fifandraisana amin’ny fiaraha-monina izay tokony ho isan’ny singa mpanohana ; ny habetsaky ny lehilahy amin’izany asa izany koa no mahatonga ny herisetra, ary isan’izany ny fanararaotana ara-nofo.

3 NY TSY FAHITANA NY FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY DIA MANDISO NY FIJERY ANKAPOBENY. Samy manana ny fiatrehany ny tontolo misy azy sy ny harena voajanahary ny lahy sy ny vavy, ary samy manana ny fahalalany sy ny traikefany ihany koa. Any amin’ny morontsiraka sasany izao ohatra, dia tsy azon’ny vehivavy atao ny manjono any andranomasina, fa ny hany azony atao dia ny manangona izay azony alaina eny amoron-dranomasina fotsiny. Ny fanangonana tahirin-kevitra momba ny lehilahy (na vehivavy) fotsiny ihany dia mahatonga ny fahalalana voahangona ho tsy marina. Hatreto, ny fahalalana IWT dia tsy mijery ny maha lahy na vavy na mitongilana, ary tsy misy fiheverana izany fitongilanana izany.

4 SEXUAL VIOLENCE AND GENDER INEQUALITY ARE FACILITATORS OF IWT AT MANY POINTS IN THE VALUE CHAIN. Betsaka ny ohatra mampiseho fa manamora ny fifanankalozana ara-barotra sy manokana IWT eo an-toerana sy maneran-tany ny fanararaotana ara-nofo, fivarotan-tena, sy ny fanondranana vehivavy. Ny fampiharihariana ny fisehon’ny herisetra atao amin’ny vehivavy amin’ny alalan’ny IWT dia manokatra làlana ahafahana miatrika sy manova ny fiatraikan’izany.

2|tatitra faminintinanav

6 NY FANDRAISANA MPIAMBINA LAHY SY VAVY DIA MAHOMBY KOKOA AMIN’NY ANKAPOBENY. Misy porofo mivaingana fa tsy amin’ny alalan’ny herisetra ary mirona makany amin’ny fifandraharahana kokoa ny vehivavy rehefa miatrika olana.

7 FANDRESENA HO AN’NY REHETRA SY TOMBON-TSOA AMIN’NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA NY FITOVIAN-JO EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY. Ny zava-misy eo amin’ny tontolo dia mifandray amin’ny fitovianjo eo amin’ny lahy sy ny vavy matetika : mitotongana ny tontolo rehefa indraindraina be ny tsy fitoviana. Ny rafitra sosialy sy ara-toekarena manohana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy no ilaina voalohany raha hitady tontolo iainana maharitra. Anisan’izany ny fanampahan-kevitra sy fandraisana anjara iraisana amin’ny vehivavy, fiarahana manaiky ny tombon-tsoa azo amin’ny fahasamihafana, fampandraisana anjara sy fampaherezana ny olom-pirenena, fanekena ny zon’ny olom-belona rehetra.

TOHIN’NY FAMINTINANA


FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY TATITRA VAVY & NY VAROTRA BIBIDIA TSY ARA-DALANA FAMINTINANA TSY VOAJERY ARY NOHAMAIVANINA 8 NY FIKAMBANANA MIARO NY TONTOLO IAINANA MANOHITRA NY IWT DIA AFAKA MITARIKA FIOVANA TSARA EO AMIN’NY FAHASALAMANA AMIN’NY LAHY SY NY VAVY. Amin’ny fanehoany ny fanohanany sy fampandraisany anjara ny vehivavy amin’ny tetikasa sy programa ataony dia mety ho hery maherivaika enti-manainga ny hafa amin’ny fanovana ny rafitra tsy mampandroso sy manimba izy -- indrindra ny amin’ny faritra mahantra sy any ambany vohitra. Ny fahazoan’izy ireo antoka fa manohana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy ary mampahery ny vehivavy ny tetikasa ataony ho fiarovana ny tontolo iainana dia manatsara ny vokatra ary mitondra fampandrosoana sosialy. Ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy ary ny fampandraisana anjara ny vehivavy dia mitondra saina sy fahombiazana bebe kokoa eo amin’ny asan’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, manatsara ny fahafahany manao drafitra ary mampitombo ny vokatra.

9 NY FIJERENA NY MAHA LAHY NA VAVY EO AMIN’NY IWT DIA MITONDRA FANANTENANA HAHAVITA ZAVATRA GOAVANA -- ARY MITAKY ANDRAIKITRA LEHIBE. Ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy dia takian’ny lalàna nasionaly sy ny lalàna mifehy fikambanana maro. Mitombo laza eo amin’ny lalàna maneran-tany ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, indrindra eo amin’ny famolavolana tanjona maharitra. Ny mpanohana, fikambanana manokana sy firenena, dia miha mitaky hatrany ny fanaovana fanadihadiana sy fampiharana ny fitovianjo eo amin’ny lahy sy ny vavy eo anivon’ny tetikasa tohanany. Tsy tafiditra ao anatin’izany anefa ny fikambanana sangany ao amin’ny IWT : tsy mbola nisy antso mikasika ny fahasamihafan’ny lahy sy ny vavy hatreto avy amin’ny CITES na ny firenena mikambana na ny fanjakana mikasika ny zavatra nataon’ny IWT, na fanambarana manohitra ny IWT.

10 SAMIHAFA TANTERAKA NY FAMPIASANA NY VOKATRA AZO AVY AMIN’NY BIBIDIA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY, NA EO EN-TOERANA IZANY NA EO AMIN’NY AMBARATONGA AMBONY. Samy manana ny zavatra jifainy sy hampiasany azy ny lahy sy ny vavy : zavatra ampiasaina ao an-tokatrano sy vokatra azo avy amin’ny bibidia atao fanafody matetika no vidian’ny vehivavy ; fanamafisana fifandraisana sosialy sy arak’asa kosa no hampiasan’ny lehilahy ny vokatra azo avy amin’ny bibidia. Ny fampandrosoana ny ezaka fampihenana ny tinady dia mitaky ny fijerena izany fahasamihafana eo amin’ny lahy sy ny vavy izany.

3|tatitra faminintinana

11 MITAKY FIKAROHANA SY FANADIHADIANA GOAVANA MANERANA NY SEHATRA MARO SAMIHAFA NY ASA FANOHERANA NY IWT. Betsaka amin’ny antotan-kevitra ampiasaina amin’izao fotoana izao no notsongaina avy tamin’ny fanadihadiana kely monja. Ny firafitry ny fahefana sy ny rafitra antanan-tohatra raha mihevitra ny fahasamihafana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy dia mifandray ihany koa amin’ny zavatra hafa toy ny foko/fihaviana, fari-piainana na antokom-pivavahana, raha tsy hijery afatsy sombintsombiny ihany. Saika tsy misy fanadihadiana mikasika ny fifandraisana misy eo amin’izany rehetra izany amin’ny IWT.

12 FITAOVANA FA TSY FANAOVANA FAHAGAGANA NY FANADIHADIANA NY FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY. Tsy hitondra vahaolana eo amin’ny varotra bibidia tsy maharitra sy feno herisetra izany. Kanefa kosa manana anjara asa amin’ny fitondrana vahaolana izany amin’ny fanitarana ny fijery ny olana, ny vahaolana ary ny lalàna mifehy izay tsy hita any amin’ny toerankafa. Mampitombo ny fahafahan’ny fikambanana IWT hanaraka ny fanekeny hanaja ny zon’olombelona sy hanaiky ny fahasamihafana izay efa miparitaka manerana ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana izany.

« Fahasamihafana eo amin’ny lahy sy vavy & Varotra bibidia tsy ara-dalàna, tsy voajery ary nohamaivanina » mivoaka amin’ny jolay 2021. Nosoratan’i Joni Seager Raha mila fanazavana fanampiny, manorata amin’ny : Rob Parry-Jones, Filohan’ny sampana mandray an-tanana heloka atao amin’ny bibidia, WWF Iraisam-pirenen rparryjones@wwfint.org

TAPITRA


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Issuu converts static files into: digital portfolios, online yearbooks, online catalogs, digital photo albums and more. Sign up and create your flipbook.